Voafaritra avokoa ireo paikady vaovao ataon’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo indostria stratejika (Omnis) amin’ny fikarohana sy fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny alalan’ny fikarohana atao. Notanterahina omaly, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fihaonamben’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo […]
Other News
Fahavitan’ny lalana : manamora ny famoaham-bokatra
Hifamezivezen’olona aman-jatony isan-kerinandro, manampy azy ireo amin’ny fitateram-bokatra, ny fahavitan’ny lalana mirefy 10 km mampitohy an’i Mahitsy sy Farahantsana, amin’izao fotoana. Nandray an-tanana ny fanavaozana io lalana io ny orinasa Tozzigreen nanomboka ny taona 2020 teo. Niara-nisalahy tamin’ny fifanomezan-tanana rahateo ny kaominina voakasika, toy ny ao Ambohimasina izay nanome ny […]
Sombim-baovao
Notanterahina nanomboka omaly, teny Ambatobe, ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora, “Utop”, andiany faha-15. Mahatratra roa arivo mahery ireo olona nisoratra anarana tamin’izany, ka teratany vahiny avokoa ny 250 amin’izy ireo. Norombahin-dRandriambololomanana Tsiaro, Malagasy mpitsara, ny amboaran’ny “Arbitre le plus prometteur” nandritra ny “Cosafa Award”, ny taona 2023, izay natao tany […]
Fifidianana depiote Toamasina I : samy nentina am-bavaka ny propagandy
Mandeha ny fampielezan-kevitra. Samy manao izay paikady enti-mandresy lahatra ny mpifidy ny rehetra. Ho an’i Toamasina I, fotoam-pivavahana no nanombohana izany. Efa naneho tamin’ny fomba maivamaivana ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ireo kandidà efatra amin’ireo dimy mifaninana eto Toamasina I. Tsy mbola tazana kosa ny kandidà iray fahadimy na mbola eo am-pandrafetana […]
Ho an’ny mitady sila-panahy : raikitra ny « Celibat events »
«Celibat events», io no anarana nasalotry ny Alone mpikarakara ilay ambohi-pihaonan’ireo mitady sila-panahy, namana, sakaiza. Etsy amin’ny Restaurant Henintsoa By pass Ambohimangakely no hanatanterahana azy ity voalohany eto Madagasikara, ny sabotsy 18 mey, hanomboka amin’ny 5 ora hariva. Fandaharam-potoana anatin’ny «Celibat events» ny fisian’i DJ Robs Mc, hanakorisa ireo hira […]






