Other News

Fampielezan-kevitra : mila manaja ny tsy fiandaniana ny mpiasam-panjakana

Voararan’ny lalàna ny fitanilan’ny mpiasam-panjakana amin’ny fanomanana fifidianana. Mila miala amin’ny andraikiny izay te hanao fampielezan-kevitra. “Anjaranay ny mampahatsiahy ny tokony hanajana ny tsy fiandaniana. Ny mpiasam-panjakana dia an’ny vahoaka, tsy misy ny hoe tsy maintsy mankatsy na mankaroa”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao. […]

TSELATRA

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy namboly rongony sady mivarotra izany tao amin’ny fokontany Tsararano ambany, kaominina renivohitra Mahajanga, omaly maraina. Nambolen’io lehilahy io anaty “pot” niisa 71 ireo zava-mahadomelina. Mikirakira rongony mahery vaika “héroïne” koa izy. Zaza miisa roa niara-maty voahitsaky ny kamiao tao Morafeno, Amboasary Atsimo, afakomaly. Lany […]

Nidaroka mpanatitra entana: jiolahy roa naiditra eny Antanimora

Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny jiolahy roa nidaroka tamin’ny “bois-rond” mpanatitra entana iray tao Ambohimitsara, kaominina Ambohimangakely, distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nanafatra akanjo tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo jiolahy roa lahy. Nampandaloviny amin’ny toerana mangingina ny mpanatitra io entana io, ny 6 mey lasa teo tamin’ny 3 ora sy sasany. Nandrasan’ireo […]

Nahatrarana basy dimy: maty voatifitra i Njara Kelialoka

Dahalo am-polony nikasa hanafika tanàna iray tao Ambatofinandrahana. Maty voatifitry ny zandary ny iray. Sarona ny basy mahery vaika miisa dimy. Ravan’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny fanafihana mi­tam-piadiana nokasain’ny da­halo am-polony hotontosaina tao amin’ny tanànan’Andra­velona, fokontany Tsimama­liavona, kaominina Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny 8 mey teo tamin’ny 2 ora tolakandro. […]