Nihaona, nandritra ny ora roa, teny Andranomena, afakomaly, ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Annette Pierangelo, sy ireo mpitarika ny Firaisankina. Nitatitra ny dinika ny mpitondra tenin’ny vovonana, i Paraina Auguste. Nambarany fa henjankenjana ny fihaonana ary samy tsy nitsitsy fitenenana. Nomarihiny anefa fa ny ambasadaoro no niantso azy ireo tamin’izany. […]
Other News
Afa-baraka ilay firenena
Nahoraka maneran-tany ny mahakasika ireo biby efa ho lany tamingana eto Madagasikara kanefa nisy nanondrana, tonga any Thailand, omaly. Tsy mba hoe biby iray na roa fa dia sokatra aman’arivony sy gidro efa amam-polony maro. Ahoana no hahatanteraka ny fanondranana izany kanefa tsy misy mahita na voasakana eto amintsika? […]
Holafitry ny mpanao gazety : “Mbola olana ny fahazoana loharanom-baovao”
Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, fa betsaka ny fitarainan’ny mpanao gazety sy ny tatitra voaray momba ny fahazoana vaovao. Nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny tenany, manoloana izany. “Olana ny fikatonan’ ireo loharanom-baovao ka entanina ny mpitondra mba hanome vaovao fa tokony hitondra fiovana […]
TSELATRA
Mpandeha miisa sivy naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tampoka teo am-pidirana ny tanànan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nitondra mpivarotra saika hihazo an’i Vohipeno io taksiborosy io no tra-doza tampoka. Tapa-tanana ny mpandeha sasany. Tsy nisy aina nafoy. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo naratra. Mpanendaka avy nanao ny asa […]
fitokonana teny Ankatso : zandary voatora-bato teo amin’ny teta-masony
Naratra voan’ny tora-bato teo amin’ny teta-masony, ny zandary iray nandritra ny fitokonan’ny mpianatry ny Oniversite an’Antananarivo, teny Ankatso, omaly. Nidina an-dalam-be, nitsoaka kiririoka nanohy ny fihetsiketsehany ireo mpianatra. Raikitra ny tora-bato nataon’ireo mpianatra nanoloana ny mpitandro filaminana. Niezaka nifehy ny fandriampahalemana teny amin’ny manodidina ny zandarimaria, ny maraina. Voatoraky ny […]






