Rehefa ela niandrasana ny mpitia sy mpankafy… Raikitra fa hanolotra seho kanto ho an’ny rehetra ny tarika Telofangady. « Gasikarako », hotanterahina ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny alahady 7 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity, araka ny fanazavan’izy 5 mirahalahy, fa : « hiran’ny tarika tsy misy fangarony » […]
Other News
Samoela sy Raboussa : nanakoako Antsahamanitra, afapo ny mpijery nanatrika
Tontosa, omaly, tetsy Antsahamanitra, ny fampisehoana niarahana tamin-dry Samoela sy Raboussa ary Krutambull. Feno tanteraka ny toerana, tonga maro namaly ny antso ireo mpankafy, lahy sy vavy. Ireo olona teraka tamin’ny taona 80 no tena mpankafy tamin’ny ankapobeny. Nanakoako teny amin’ny manodidina ny feon’ny mpankafy tetsy Antsahamanitra. Tsy nitsahatra ny […]
Fiahiana fahasalamana : nanao hetsika ny Mii’zara
Nanao hetsika maimaimpoana ho an’ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny amin’ny EPP Ambohimarina ny fikambanana Mii’zara, omaly. Notanterahina teny amin’ny CSB II, Ambatolampy Tsimahafotsy izany hetsika ara-pahasalamana izany. Nambaran’ny filoha mitarika ny Mii’zara, Rarivo Fafah, fa natao izao hanampiana ny mponina eo amin’ny lafiny fahasalamana manoloana ireo aretina […]
“Run and Bike” andiany fahefatra : 400 latsaka kely ny isan’ny mpandray anjara
Tontosa omaly, tetsy Ambohibe, ny hetsika “Run and Bike”, andiany fahefatra nokarakarain’ny fikambanana TAO. Tanjona ny hanentanana sy hiadiana amin’ny fanaovana herisetra mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona. 400 latsaka kely teo ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity hetsika « Run and Bike », andiany fahefatra. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ara-panatanjahantena, nahitana hazakazaka […]
Judo- Tompondakan’i Afrika : Olana ny fampiantranoana sy ny saram-pandraisana anjara ho an’ny Malagasy
Hiainga anio amin’ny 1 ora atoandro, etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ho any Egypte, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo. « Mbola olana ho anay ny resaka fampiantranoana « hébergement » ireo mpilalao, indrindra ny saram-pandraisana anjara “droit d’engagement” », hoy i Said Bruno Eric, filohan’ny Federasiona malagasin’ny […]






