Other News

Fiatrehana fifidianana depiote : nofanina tsy hiandany na hitanila ireo SRMV

Hitohy anio, eny amin’ny Enam Androhibe, ny fanofanan’ny Ceni ireo mpampiofana ho an’ny faritra Analamanga, hiatrehana ny fifidianana depiote. Hisy koa ny fepetra horaisin’izy ireo amin’ireo mihoa-pefy, amin’izao mialoha ny fifidianana izao. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fanokafana izany, omaly, fa natao izao mba hitovy ny tadin-dokanga eo […]

TARATRY ny KANTO

Piment Café – Revy Lôlô sy ny tariny. Mitohy hatrany ny “fitetezam-pokontany”, araka ny filazan-dry Benny, Bebey ary Nini azy. Toerana efa mahazatra ireo mpankafy ny “Revy Lôlô sy ny tariny” ny etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Any Tsiroanomandidy ry Zandry Gasy […]

Hakanto Contemporary, andiany faha-10: hasongadina ny tahirin-tsarin’i Dany be

Hotanterahina etsy amin’ ny efitrano Hakanto Con­tem­porary Ankadimbahoaka, ny 4 mey hatramin’ny 26 Oktobra izao, ny fampirantiana andiany faha-10. Hetsika hanomezan-danja ny sary manan-tantara nandritra ny fotoana niasan-dRakotoseheno Daniel na i Dany be, mpanao gazety sady mpaka sary. “Nosafidiana i Dany be satria olona tena anisan’ny manana ny maha izy […]

“Coupe du monde de Slam Poèsie”: Santa sy System D no hisolontena an’i Madagasikara

Anisan’ny haikanto vahiny, nefa manomboka mahazo laka eto Madagasikara, ny “Slam poèsie”. Ankoatra ireo fifaninanana anatiny maro, izay fototr’izany firoboroboana izany, efa mivelatra amin’ny any ivelany ihany koa ny mpiangaly “Slam poèsie” eto an-toerana. Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­la­kely, ny valandresaka ho an’ny mpanao […]

Mpandihy matihanina: mba ho kanto hampidi-bola ny dihy

Ny alatsinainy lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny dihy. Fotoana izay nahafahan’ireo mpandihy sasantsasany nitafa tamin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izany. Nivoaka tamin’io, fa hatao rahampitso sabotsy 4 mey ny fankalazana. Hisy, araka izany, ny fampisehoana dihy, izay hatao eo amin’ny Kianjan’ny Hiragasy ao Ampefiloha. Hitohy […]