Nitohy any Ranobe, kaominina Ankilimalinike sy Tsiafanoka, kaominina Tsianisiha, samy distrika Toliara II, ny fampahalalana ny mponina ny zony sy ny tombontsoa tokony ho azony mahakasika ny tetikasa Taratra. Voakasik’izany ny lafiny harena an-kibon’ny tany sy ny fananan-tany. Loabary an-dasy novolavolain’ny kaonferansin’ny eveka, iarahany amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany, […]
Other News
Fifanakalozana : misokatra ny vavahadin-tseraseran’ny varotra
Nampahafantarina, ny talata teo, teny Anosy, ny tranonkalan’ny vavahadin-tserasera momba ny varotra, Portail d’informations commerciales de Madagascar (PICM). Hanampy ny mpandraharaha, mpivarotra, tantsaha mpamokatra, ny kaoperativa mpianatra sy mpikaroka ary ny sarambabem-bahoaka izany. Ampy ahazoana ireo antontan-taratasy samihafa, toy ny fangatahana torolalana momba ny varotra ny fidirana amin’ny rohy www.pic.commerce.mg. […]
Fiatrehana fifidianana depiote : nofanina tsy hiandany na hitanila ireo SRMV
Hitohy anio, eny amin’ny Enam Androhibe, ny fanofanan’ny Ceni ireo mpampiofana ho an’ny faritra Analamanga, hiatrehana ny fifidianana depiote. Hisy koa ny fepetra horaisin’izy ireo amin’ireo mihoa-pefy, amin’izao mialoha ny fifidianana izao. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fanokafana izany, omaly, fa natao izao mba hitovy ny tadin-dokanga eo […]
TARATRY ny KANTO
Piment Café – Revy Lôlô sy ny tariny. Mitohy hatrany ny “fitetezam-pokontany”, araka ny filazan-dry Benny, Bebey ary Nini azy. Toerana efa mahazatra ireo mpankafy ny “Revy Lôlô sy ny tariny” ny etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Any Tsiroanomandidy ry Zandry Gasy […]
Hakanto Contemporary, andiany faha-10: hasongadina ny tahirin-tsarin’i Dany be
Hotanterahina etsy amin’ ny efitrano Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny 4 mey hatramin’ny 26 Oktobra izao, ny fampirantiana andiany faha-10. Hetsika hanomezan-danja ny sary manan-tantara nandritra ny fotoana niasan-dRakotoseheno Daniel na i Dany be, mpanao gazety sady mpaka sary. “Nosafidiana i Dany be satria olona tena anisan’ny manana ny maha izy […]






