“Asa masina sy ady masina no atrehintsika. Ady hampitoetra firenena tan-dalàna, firenena mandry fahalemana, firenena mandala fihavanana sy fitoniana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, taorian’ny nametrahany ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny ho depiote indray amin’ny anarany mahaleo tena ao Ambatofinandrahana, ny 8 avrily lasa teo. Nangatahin’ny vahoakan’ […]
Other News
Rabary Paul : “Efa manomboka zatra demokrasia isika”
Hanao ahoana izao fifidianana depiote izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Rabary Paul. Dinidinika. Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fifidianana depiote amin’izao? Rabary Paul (-): Fanavaozana ny fe-potoam-piasana izao. Efa vita ny an’ny […]
TARATRY ny KANTO
Vohitra maro eto Imerina no nankalaza ny Alahamady. Nanomboka ny alatsinainy teo ka hatramin’ny rahampitso ny fankalazana. Ho an-dry zareo Zanadranavalona, nisy ny lanonambe toy ny mahazatra isan-taona, teo amin’ny kianja Anosimanjaka, omaly. Mitohy ny atrikasa fampiofanana, ho an’ireo mpisehatra amin’ny zavakanto. Anjaran’ny any Toamasina indray no nisitraka izany, mandritra […]
Nan’s Prod : hitondra rivo-baovao ho an’ny tsenan’ny mozika
Nitombo iray ny isan’ireo trano mpamokatra mozika eto Madagasikara. Nampahafantatra ny antom-pisiany, ny asa iandraketany, ny tanjona tian-kotratrarina ary ny vina anatin’ny fohy sy ny lavitra ezaka ny Nan’s Prod, ny talata teo, tetsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. «Hitondra rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny mozika no tanjona. Hanohana ireo mpanakanto sy […]
Sarimihetsika malagasy : nodimandry i Emmanuel
«Ingahy Emmanuel» na i «Emmanuel» na Andriamahefa Emmanuel. Samy anarana nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy sy ny fiseraserana teny anivon’ny fiarahamonina avokoa ireo. Araka ny vaovao nampitain’ny tambanjotran-tserasera maro, nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-63 taonany i Emmanuel. Ny taona 2022 izy no efa nandia tsy fahasalamana, raha ny […]






