Other News

SOMBIM-BAOVAO

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha, ny fifaninanana “All Step” natokana ho an’ny Lycée, karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety. Nitohy ihany koa ny lalao nihaonan’ny LMA sy ny SFXA, vehivavy, ary ny LMA sy ny LAA, lehilahy. Miatrika fiofanana sy fanazaran-tena matihanina any Budapest, amin’izao fotoana, ny […]

LALAO iraisam-pirenena : miandry ny minisitera ny atleta

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny lalao olympika amin’izao ny atleta malagasy voakasik’izany. Misy ireo mbola mila miatrika fifaninanana iraisam-pirenena maromaro vao afaka hahazo ny tapakila ho amin’izany. Ho an’ny taranja Judo manokana, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny 24 avrily izao, ireo judokas malagasy, anisan’ izany, Rasoanaivo […]

Baolina kitra: miandry ny fankatoavan’ny CAF ny kianja Barea Mahamasina

Eo am-piandrasana ny valin’ny fitsirihana nataon’ny iraky ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny baolina kitra (CAF) ny kianjaben’i Mahamasina ny Federasiona malagasy (FMF). Madagasikara izay hampiantrano an’i Comores sy i Mali, ny volana jona ho avy izao. Tontosa ny zoma 5 avrily lasa teo, ny fitsirihana ny kianjaben’i Mahamasina nataon’i Josua Andries Hoebeb, […]

Nanolana ankizy 12 taona : roa lahy maty voatifitra

Nandositra mpitandro filaminana, namoy ny ainy ireo roa lahy anisan’ny nanolana ankizivavy 12 taona tao amin’ny fokontany Vohipasy, distrikan’i Vohipeno, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana momba io tranga fanolanana io. Niantso ny zandary avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany. Fantatra rahateo ny […]

Bajaj nanao taingimbe : nitsoraka tany ambany remorka kamiao

Tokony ho tamin’ny 1 ora sy 30 minitra teo amin’ny boulevard Augagneur, manoloana ny tobin’ny vondrotobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena sy biraon’ny fiarovana “Aro”. Mpamily Bajaj iray no nitondra mpianatra ao amin’ny sampam-piofanana teny Sinoa, barikadimy Toamasina, izay miisa enina mianandahy be izao no indray natsetsiny tao amin’ ilay Bajaj raha tokony ho […]