Nambaran’ireo kandidàn’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy eny Avaradrano fa tokony hijoro sy hiaro ny safidiny ny olom-pirenena. Nentaniny ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny zotram pifidianana ny rehetra. Teo koa ny fanentanana hifidy. “Anay sy antsika miaraka avy eo ny tohiny. Hifankahita eto isika raha misy mangala-bato na manodina ny safidim-bahoaka. […]
Other News
Ifotony misy fotony
Tsy misy fotony? Na antony, na dikany… Amin’izao, atao ny fidinana ifotony ary imasoana ny fampandrosoana ifotony. Hanao ahoana? Efa fantatra izay mampikaikaika ny vahoaka hatramin’izay, tsy mbola tena voavaha amin’ny fomba mahomby sy azo antoka ary maharitra matoa tsy mahafa-bela. Voalohany amin’izany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, fa misy […]
Fiatrehana fifidianana: hanenjika ny kandidà tsy manara-dalàna ny Ceni
Nilatsaka ny fampitandremana. Hentitra ny fepetra noraisin’ny Ceni amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. “Amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, tsy misy na inona na inona azonay atao amin’ny fanaraha-maso izay ataon’ny mpirotsa-kofidina. Tsy misy lalàna mamaritra ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fanaovana […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy iray nisandoka ho kaomiseran’ny polisy, ny 15 avrily teo. Vaosambotry ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC4 tao Toamasina izy ny 9 avrily teo. Nangalany vola ireo voasolokiny satria nilaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana ny tenany. Nahatrarana basy kilalao teny aminy. Mitaky lelavola 140 tapitrisa […]
« Opération Harato II » : dahalo mpaka an-keriny lavon’ny zandary
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny tao Amparihikapika, 7 km avaratra andrefan’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Morafeno, distrikan’i Maevatanana, ny 14 avrily teo. Nokarohina nanomboka ny taona 2021, i Gué. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mihaodihaody tao Ikelimahavoky io […]






