Niverina nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo ny fotoam-panjonoana sy fitaterana ary fivarotana orantsimba (langouste) ao amin’ny faritra Anôsy, raha niato nandritra ny telo volana, nanomboka ny 1 janoary. Mahatratra hatrany amin’ny 449,4 kg ny vokatra tonga nandritra ny fanangonana ny antontanisa voaray eny anivon’ireo mpanangom-bokatra. Ankoatra izay, nilaza ny […]
Other News
“Women Rock in Digital” : mamiratra ireo vehivavy misehatra amin’ny niomerika
Mihamaro ny vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika (Information technology – IT)). Manampy tosika azy ireo sy mampahafantatra ny tombony azo avy amin’ny fikirakirana izany ny hetsika « Women Rock in Digital ». Fahombiazana. Mahavelombolo sady mivoatra isan-taona ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Tafiditra amin’ny andiany fahadimy ny «Woman Rock in Digital» […]
TARATRY ny KANTO
Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 13 avrily 2024, eny amin’ny Aft Andavamamba, ny “Vao mangiran-dratsy”. Fampirantiana karakarain’ny Plum’art, hanandratana sy hanomezana sehatra ireo mpiangaly sary vao misandratra, izy ity. Ankoatra izay, anisan’ny hanamarihina ny faha-10 taonan’ny fikambanana ihany koa ny hetsika. Efa ao anaty fanomanana sy […]
« Spectacle stand-up »: ho avy eto Madagasikara i Rodrigue
Ho avy eto Madagasikara i Rodrigue, teratany frantsay mpanao hatsikana sady kalaza amin’ny fampihomehezana. Seho tsy mbola mahazatra ny Malagasy loatra, fa efa iainan’ny mpijery any ivelany no hoentiny amin’izao diany izao. « Spectacle stand-up ». Izy irery no hiakatra sehatra hanatontosa ny fampihomehezana. Tsy misy zavatra na fitaovana maro kanefa vitan’i Rodrigue […]
Semaine Flamenco : hisehatra i Raul Rodriguez sy Christian
Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba, rahampitso, ny fampisehoana « Jam Session », iarahana amin’i Raul Rodriguez sy i Christian de Moret ary ny AF Jazz. Hetsika tafiditra anatin’ny «Semaine Flamenco de Madagascar », andiany fahenina. Seho avo lenta sy matihanina no entin’ny mpikarakara, miaraka amin’ireto vahiny mpanakanto manana ny maha […]






