Other News

Unesco – Harembakoka sy fahaiza-mahandro: natao tany Vatomandry ny « Lakozia mitety sekoly »

Babon’ny fahaizan’ireo ankizy nikarakara sy nahandro ny soanambo ny Cheffe Henintsoa sy ny mpikarakara… Nandritra ny hetsika “Lakozia mitety sekoly” tany Vatomandry no nahitana izany fanomezan-kasina ny harembakoka sy ny fahaiza-mahandro izany! Tanjon’ny “Lakozia mitety sekoly” (LMS) ny fanabeazana ny ankizy mom­ba ny harembakoka fonosin’ny fahaizana nahandro malagasy. Manana endrika fifaninanana eny […]

Fahatsentsenan’ny tatatra ao Toamasina: harodana ireo trano sy fotodrafitrasa tsy mahafeno fepetra

Tontosa ny zoma 28 marsa teo, tetsy amin’ ny efitrano fivorian’ny Lapan’ny prefektiora Mangarano, ny fivoariambe na loabary an-dasy notarihin’ny governoram-paritra Rafidison Richard Théodore. Natrehin’ ny hery velona rehetra eo amin’ny tanàna. Nivoitra tamin’izany ny anton’ny fahatsen­tsenan’ny tatatra. Nivoitra tamin’izany ny antony mahatonga ny fiangonan-drano sy fa­hatsentsenan’ny lakandrano sy tatatra any Toamasina sy […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny rehetra tsy hiraviravy tanana ny eo anivon’ny FFKM, tamin’ny hafatra Paka. “Raiso ho hery sy fanantenana vaovao ho antsika, iatrehana ny ankehitriny, fa velona i Jesoa”, hoy izy ireo. Nentaniny ny kristianina sy ny vahoaka mba hizara aina vaovao, handrava ny sarintsarim-pahafatesana mbola iveloman’ny maro. Kandidàn’ny APM Firaisankina […]

Vovonana Ifi : “Aoka ho matotra ny fanaovana politika”

“Aoka mba ho matotra amin’izay ny fanaovana politika eto Madagasikara: rehefa mpanohitra dia mpanohitra, rehefa mpomba dia mpomba. Fa tsy hoe sady mpomba no misabaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor. Teniny nanoloana ny fanalana ny filohan’ny Anteni­mierampirenena teo […]

Mamono lolo

  Mahasanganehana ny zava-misy any ambanivohitra rehetra any, ankehitriny. Manjaka ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana indray sanatrian’ny vava no atody miady amam-bato. Sodokan’ny ranty an-tanàn-dehibe Rama­la­gasy. Fiara tsy mataho-dalana am-polony, kamiaobe tsy tambo isaina no mifanaretsaka rehefa misy seho iray. […]