Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny Fasan’ny mahery fo eny Avaratr’Ambohitsaina ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy. “Tsy zava-poana akory ny tolona nataon’ireo tia tanindrazana fa hotohizana”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa iraisan’ireo mahery fo milevina eo amin’izany toerana izany ny ady ho an’ny fahafahana sy ny fitiavan-tanindrazana ary koa […]
Other News
Filoha Rajoelina: “Tsy atao tsinontsinona ny tolona natao”
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny tolona nataon’ireo razambe no fototry ny fampandrosoana. Noho izany, raisina ny faneva hameloma-maso ny hambompom-pirenena “Tsy ekentsika horabirabiana, hohitsakitsahina, atao tsinontsinona ny tolona rehetra natao teto amin’ity firenena ity. Satria nisy aina nafoy teto, nisy fikasana handroso ho amin’ny soa kokoa eto. Zavatra sarobidy loatra ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hentitra ny baikon’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa tsy maintsy eo anilan’ny vahoaka hatrany ny fitondrana. Napetraka ny fandaminana amin’ny fandefasana ny fanampiana vonjy aina ho an’ireo traboina, amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Tsy maintsy midina ifotony koa ireo mpikamban’ny governemanta. Iharan’ny ramatahora ny milaza ny marina […]
Rajoelina Andry: zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny AGOA
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alakamisy teo, ny fihaonana sy fivoriana notarihin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo mpikambana vitsy avy eo anivon’ny governemanta, sy ny delegasiona mpikambana ao amin’ny «Commite on Ways and Meams». CWM miisa 8 notarihin’i Jason Smith, avy ao amin’ny Kongresy Amerikanina no niatrika izany. […]
Mitomany ny tany
Mampalahelo ny zava-misy iainan’ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Dibo-drano, rava fananana, mitoka-monina ireo nolalovan’ny rivodoza Gamane. Misy ny namoy ny ainy, teo ireo nilaozan’olon-tiana tampoka. Mifanindran-dalana amin’izany, ny faritra hafa, izay handihizan’ny olon-dratsy. Fongana anatin’ny indray mipi-maso ny fananana nohariana aman-taonany. Firifiry no namoy ny aina ihany koa […]






