Mandritra izao fialantsasatry ny mpianatra izao, misy ny fampivondronana ireo mpilalao ping-pong latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, eto Analamanga. Nanomboka omaly, teny amin’ny Capsat Soanierana izany, ka mizara ny traikefany amin’ireo kilonga ilay japoney, i Takuya Sakamoto. Mahatratra 35 mianadahy, avy amin’ny klioba 11 eto Analamanga, ireo manaraka […]
Other News
Baolina kitra : resin’i Rwanda 2 no ho 0 i Madagasikara
Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny lalao firahalahiana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) teto an-toerana. Tsy nahita hirika nanoloana ny ekipa nasionaly rwandais ny Barea. Vokatra ratsy no nentin’ny Barea de Madagascar namaranana ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny andron’ny “Fenêtre Fifa”. Resin’i Rwanda tamin’ny isa 2 no ho 0 i Madagasikara, […]
Fanatsarana ny fitantanana: nikaondoha ireo sampam-pitsarana ara-bola
Notanterahina omaly, tany Ampefy, ny fikaonandohan’ireo lehiben’ny sampam-pitsarana ara-bola sy ny filohan’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Eo koa ireo tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Lohahevitra nanompanana ny fikaonandoha ny haitarika sy ny fitantanana ho an’ny fanovana eo amin’ny rantsam-pitsarana ara-bola. Niatrika izany ny minisitry […]
Fifidianana depiote : miantso ny olompirenena hifidy ny FFKM
“Tohizinay ny antso avo momba ny fifidianana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, izay hatrehintsika amin’ny 29 mey ho avy izao. Ny antso voalohany ataon’ny FFKM amin’izany dia ny hahazoan’ny rehetra mijery sy manamarina ny anaran’ny tena amin’ny lisitry ny mpifidy any amin’ny biraom-pokontany misy ny tsirairay avy”. Izay ny […]
Analanjirofo: naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra teo aloha
Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques, taorian’ny niakarany teny anivon’ny PAC, ny alakamisy teo. Ahina ho nanodikodina volam-panjakana izy. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques. Efa impolo nantsoina teo anivon’ny Bianco teto Toamasina ny tenany hatramin’ny nialany […]






