Mitohy ny fidinana ifotony ataon’ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanapariahana sy fanazavana lalàna eny anivon’ny kaominina. Ny kaominina Bemasoandro Itaosy, Antananarivo Atsimondrano, indray no nisitraka izany, afakomaly. Lohahevitra efatra no niompanan’ny fihaonana mivantana tamin’ny vahoaka ifotony tamin’izany. Eo ny lalàna momba ny fananan-tany, ny fandovana sy ny sora-piankohonana […]
Other News
Fitangosana “Ticket” amin’ny mpivarotra: notorian-dRavololomanana Lalatiana ny CUA
Fiverenan-dalana any amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly ? Hitory ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, eny amin’ ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny mpanolotsain’ny tanàna, Ravololomanana Lalatiana. Nambarany ho anton’izao fitoriana napetrany izao ny nanafoanan’ny CUA ny fampiasan’ny mpivarotra ny karatra biometrika amin’ny alalan’ny “Digitalisation”. Fanatsarana ny fitantanana nentin’ny ben’ny […]
Olana eo amin’ny fiarahamonina : mbola voahilikilika ny ankizy trisomika
Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny olona loatra ny Trisomie 21 na ny olona trisomika eto Madagasikara. Miteraka fitsarana sy fanilihina eny anivon’ny fiarahamonina izany zava-misy izany. Tsy aretina fa toe-tena eo amin’ny olona iray izy io. Lasa mitondra telo ny chromosome any amin’ny faha-21 raha tokony ho roa ny an’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Manodidina ny 2 tapitrisa isan-taona ny arina lanin’ny mponina eto Antananarivo. Miantraika amin’ny tontolo iainana sy mampihena ny harena anaty ala ny fitrandrahana izany. Vahaolana ny fampiasana ny arina ekolojika noho izy mampihena ny fitrandrahana ala sy ny vola mivoaka. Mitentina 2 265,76 dolara izao ny vidin’ny once-n’ny volamena, izany hoe, […]
Matsiatra Ambony : hampiroboroboana ny lalam-pihariana lohamenaka
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, izay tohanan’ny fandraharanasa CLIM-INVEST sy ny Vondrona Eoropeanina. Nisy, araka izany, ny dinika niarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina niresahana ny sehatry ny lohamenaka. Nivoitra nandritra izay ny drafitrasa […]






