Hotontosaina ny 29 marsa ho avy izao ny fihodinana faharoa savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2024”. Lalao 16 no hatao amin’io andro io. Anisan’ireo faritra handray lalao amin’izany ny any Ambanja, Ambilobe, Ambositra, Antalaha, Antananarivo, Fenerive-Est, Ihosy, Imerintsiatosika, Manakara ary Mahajanga. Hotanterahina eto Antananarivo, ny 24 – […]
Other News
“Motor show 2024”: hanangonam-bola hitsaboana ankizy marary
Hotanterahina etsy amin’ny tokotany malalaky ny kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 30 sy ny alahady 31 marsa ho avy izao, ny “Motor show 2024”. Hetsika karakarain’ireo mpankafy ny taranja mekanika. Nambaran’i Tojo Ranaivo, anisan’ireo mpikarakara, tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, afakomaly, fa hanangonam-bola hitsaboana ny ankizy tena marary eny amin’ny […]
Lalao Afrikanina : medaly volafotsy ho an’ny Makis Ladies
Nifarana omaly ny fifaninanana taranja rugby lalaovin’ olona fito, sokajy vehivavy, amin’ity Lalao Afrikanina andiany faha-13, atao any Accra renivohitr’i Ghana, ity. Nandrombaka ny medaly volafotsy ny Makis Ladies. Raha hiverenana kely ny fihaonana rehetra nataon’ny Makis tamin’ity fifanintsanana ity, lavon’izy ireo tamin’ny isa, 20 no ho 5 i Nigeria, […]
Madagasikara sy Burundi : “Matoky ireo mpilalao aho”, hoy ny Coach Rôrô
Tonga ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpankafy baolina kitra, hijerena indray ny Barea de Madagascar hiakatra kianja. Hihaona amin’i Burundi izy ireo, anio, etsy Mahamasina. “Matoky ireo Malagasy mpilalao 25 mandrafitra ny Barea aho”, hoy Rakotondrabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea, omaly, teny Ivandry, nandritra ny valandresaka niarahana tamin’ny […]
Ady tany: lehilahy 70 taona maty novonoina
Vaky loha sy vava! Maty nodarohina ny lehilahy iray 70 taona, ny talata teo. Roa lahy voasambotry ny zandary. Voalaza fa ady tany no ao ambadiky ny raharaha. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray efa fotsivolo ny harivan’ny talata lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny zanaka ben’ny Tanàna teo aloha sy […]






