Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fifaninanana “Tama Beach Volley”. Norombahin’ny ekipan’Analamanga ny amboara teo amin’ny sokajy Seniors. Ekipan’Atsinanana kosa no nandrombaka teo amin’ny sokajy U20, lehilahy. Niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Echecs olon-tokana, ny faran’ny herinandro teo, any Ghana, Rakotomaharo Fy sy Aina Tsinjoviniavo. […]
Other News
Barea de Madagascar : hanomboka anio ny fampivondronana
Hotontosaina manomboka anio, eny Mahamasina, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, taranja baolina kitra. Hivoaka anio ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra anatin’ny “Fenêtre Fifa”. Miaraka mipetraka amina hotely lehibe iray, etsy Ivandry, ny mpilalao voafantina eto an-toerana, nanomboka omaly. Raha tsy misy ny […]
Lalao Afrikanina : hiakatra kianja, manomboka anio, ny Ankoay sy ny Makis Ladies
Nafana ny Lalao Afrikanina, atao any Accra Ghana, ho an’i Madagasikara, tamin’ny herinandro lasa teo. Hiakatra kianja, anio, ny Ankoay. Rahampitso ny Makis Ladies Seven. Hiakatra kianja, manomboka anio, hiatrika ny lalao voalohany amin’ny Lalao Afrikanina, atao any Accra, ny Ankoay lahy sy vavy, taranja basikety 3×3. Araka ny fandaharam-potoana […]
TARATRY ny KANTO
Nitohy tany Analanjirofo ny fampiofanana ireo mpisehatra ao anatin’ny zavakanto. Tafiditra anatin’ilay tetikasa “Prom’Art”, izay novolavolain’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny fanapariahana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izy ity. Mpisehatra 40 no nahatozo ny fiofanana ka afaka miatrika ny tsenan’ny zavakanto, isaky ny sokajy misy […]
CCEsca : fahombiazana hatrany ny fampisehoan’i Niu Raza
Tontosa omaly, teny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana tamin’i Niu Raza, ao anatin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Sahala amin’ny efa niarahana tamin’ity mpanakanto ity hatramin’izay. Hafa sy nahafa-po, indrindra ny mpankafy, hatrany ny fampisehoana nataony. Vitan’i Niu Raza ny manome fahafaham-po ny mpanaraka azy, tamin’ny alalan’ny seho amin’ny […]






