Other News

Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent : «Hahintsana ireo kandidà mampiasa fitaovam-panjakana»

Hentitra sy nahitsy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, amin’izao fiatrehana ny fifidianana depiote izao. Handray fepetra ho an’ireo kandidà mihoa-pefy izy ireo. Mahavelom-panantenana? “Tsy hiandry fitoriana izahay fa handray andraikitra avy hatrany rehefa voamarina fa nandika lalàna ny kandidà iray. Hilatsaka ny sazy ho azy ireny ka anisan’izany ny fanalana […]

TSELATRA

Olona sivy mpiasan’ny Jirama no indray naratra vokatry ny fivadihan’ny lamasinina iray tao akaikin’Andasibe, PK 206, ny sabotsy teo. Fiarandalamby mampitohy an’Andasibe sy Andekaleka ity tra-doza tampoka ity. Nitondra ireo mpiasan’ny Jirama hiasa ity lamasinina ity kanjo izao nivadika teny am-pandehana izao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Reseveran’ny Paositra roa […]

Cocaïne : amidy 4 500 euros ny iray kilao

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Nosy Be, ny sabotsy teo, ny teratany maorisianina iray sy Malagasy enina, voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe «haschich» (zava-mahadomelina mahery vaika iray karazana amin’ny cocaïne). Saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Diego Hely Dzamanjar, Nosy Be, ny zoma, ity tambajotrana […]

Tsarasaotra: fiara nivadika, olona iray maty

Namono olona indray ny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato, ny sabotsy teo. Roa lahy nandeha fiara Golf iray no tra-doza tampoka rehefa nitrongy andrin-jiro. Raha ny tatitra nampita­in’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Sodokan’ny hatsaran’ny lalana ny mpamily ka nandeha mafy. Tsy nahafehy ny familiana […]

Avy namita iraka: zandary efatra maty an-drano

Namoy ny ainy am-perinasa ny zandary efa-dahy, ny faran’ny herinandro teo. Maty an-drano teny am-pamitana iraka izy ireo. Misaona ny zandarimariam-pirenena. Maty am-perinasa, natelin’ny rano teny am-pamitana iraka ny zandary efa-dahy. Miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Soakibany, ao amin’ny tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsimo Atsi­nanana ny telo lahy : Zandary kilasy voalohany Zafindra­mara Tris, […]