Notanterahina ny alatsinainy teo ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tenisy, aty amin’ny faritra Atsimo. Fifaninanana izay natao ho an’ny sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy. Vokatra tsara no azon’ireo ekipa malagasy, tamin’ity fifaninanana izay tanterahina any Harare Zimbabwe ity. Miisa telo ireo mpilalao malagasy […]
Other News
Tae-Kwon-Do WT Frantsa : nahazo “diplôme régional jeune arbitre” i Jessica
Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randriamiandrisoa Jessica, ilay Malagasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana […]
Kolokitra : notolorana loka ireo ankizy mpilalao baolin’ny EPP Andavamamba
Notolorana fanomezana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Andavamamba, teny Alarobia, omaly. Izy ireo izay tompondaka tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Kolokitra, nanomboka ny volana jolay lasa teo. Notanterahina omaly teny amin’ny “Show-room” Yamaha Alarobia, ny fanolorana ny loka, toy ny baolina kitra, ho an’ireo ankizy mpilalao baolina ao amin’ny EPP Andavamamba. […]
Famaranana ny faha-30 taona : hanatanteraka ny seho lehibe ny TMI
Seho lehibe voalohany amin’ity taona 2023 ity. Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, etsy Mahamasina ny famaranana ny fanamarihan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany. Fampisehoana lehibe hotanterahina ny 5 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. « Tanora Msina Itaosy en Live », fampisehoana mandritra […]
Mitoetra hatrany ny sanganasany…: nodimandry i Nary Guy, nanangana ny Nary Arthur
Rakotofamola Nary Guy no anarany feno. Anisan’ireo andrin’ny tarika Nary Arthur izy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zanany, nodimandry omaly maraina, rehefa nialana nenina tao amin’ ny hopitaly Ankadifotsy, ity mpanakanto ity. 70 taona i Nary Guy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry gitara i Nary Guy. Izy […]