Mihazakazaka ny fitotongan’ny sandambola Ariary. Kely sisa dia hisanda 5.000 Ar ny euro iray, izay tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izay. Omaly 10 janoary tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, nahatratra 4.820 Ar ny sandan’ny 1 euro, ary 4.502 Ar ny 1 dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). […]
Other News
Hatramin’ny taona 2000 : olana hatrany ny famatsiana herinaratra
Tany amin’ny 10 taona lasa, efa nisy ny fiaraha-nidinika tamin’ny Vondrona eoropeanina momba ny famatsiana angovo eto Madagasikara. Votoatin’ny dinika tamin’izany ny fandrafetana politika vaovao momba ny angovo, izay efa nahitana lesoka tamin’ny fiandohan’ny taona 2000. Niarahan’ny Vondrona eoropeanina sy i Madagasikara nandrafitra ny politika, izay tokony hifanaraka amin’ny filàna […]
Fizahantany : mihantsona ao Toamasina ny sambo “M/V Nippon Marru”
Tonga omaly tamin’ny 9 ora maraina miantsona ao Toamasina mandritra ny telo andro ny sambo japoney “M/V Nippon Marru”. Sambo lehibe mitondra mpizahatany japoney miisa 259 sy mpiasa 194, misahana ny fampandehanana ny sambo sy mikarakara ireo mpandeha. Mampiavaka ity kaompania iray ity dia ny tsy faneken’ny kaomandin’ny sambo ny […]
Mitohy ny fidangan’ny vidin-tsakafo: tafakatra 5.000 Ar ny kilaon’ny siramamy, 18.000 Ar ny kilaon’ny hena
Miantraika any amin’ny fiainana andavanandro ny halafosan’ny vidin-javatra. Ankoatra ny vidim-bary, misondrotra koa ny vidin’ny siramamy, ny hena, ny lafarinina ankehitriny. Vao mainka midangana ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny sakafo amin’izao fiandohan’ny taona 2023 izao. Raha efa mihoatra ny 3.000 Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, mananontanona ny […]
Kitra any ivelany : maro ny mpilalao nandeha retirety
Maro ny mpilalao baolina kitra malaza, nandeha nisotro ronono. Isan’ny tena misongadina amin’izany i Gareth Bale, mpilalao an’i Pays de Galles sy i Hugo Lloris, kapiteny frantsay ary i Blaise Matuidi, mpilalao frantsay ihany koa. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy lasa teo. “Rehefa nandinika […]