Hanatanteraka fampisehoana “Stand Up”, eny amin’ny “Madagascar Underground” Antsahavola, ny asabotsy 31 desambra 2022, i Raytra Belaw’Yck sy ny namana mpanao hatsikana miaraka aminy. Hanomboka amin’ny 4 ora hariva ny seho. Fampisehona iarahan’ny “Gasy Stand Uppers” sy ny “Be tige Comedy” izay samy vondrona mpanao “Stand Up”. Hiverina indray ny […]
Other News
Nomamoina, nobaboina, nobadoina: norarana fatratra ny fisotroana toaka
Taorian’ny fidiran’ny vahiny teto Madagasikara, maro ny zavatra niova. Saika nahitana izany avokoa ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Amin’ny ankapobeny, nahita ny tsy fahita, naheno ny tsy faheno, nihinana ny tsy fihinany, nisotro ny tsy fisotrony. Nisongadina be io isaky ny mitotorebika amin’ny fetim-bahiny… Nibahan-toerana ny fibobohana toaka ! Raha ny voalazan’ny tantara, […]
Fetin’ny faran’ny taona : miantso fitoniana ny APM
Mendrika sy rariny raha hankalaza sy hanao fety am-pilaminana ny vahoaka, na eo aza ny fahantrana lalina noho ny tsy fisian’ny asa sy ny fahasorenana ateraky ny fahatapahan-jiro ary ireo tsy fandriampahalemana iaianan’ny manerana ny Nosy, araka ny fanambaran’ny biraon’ny Antoko Politika Madio (APM). Miantso ireo antoko na vondrona politika […]
Antoko Natiora : “Foano ny famoahana tsiambaratelom-panjakana”
“Momba ny fivoahan’ny tsiambaratelom-panjakana, ny olana tsy hoe: marina sa tsy marina? Tsy any ny anay no tanjona. Efa misy rafitra natao hanenjika sy hitsara izany. Firenena no resahina, tombontsoa ambonin’ny firenena no jerena”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Natiora, i Mihari Ni-Rencho, manoloana ny fivoahan’ny tsiambaratelom-panjakana. Misy ny tomponandraiki-panjakana […]
Filoha teo aloha Ravalomanana Marc : “Mijaly sy tena sahirana ny vahoaka”
Anisan’ny nitondra ny heviny, manoloana ny fiainam-pirenena, indrindra ny lafiny sosialy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa very fanahy mbola velona ny vahoaka, amin’izao fotoana izao. “Tena mijaly sy sahirana ny vahoaka ary tsy manana hanin-kohanina hanaovana fety. Tsy fantany ny lalana halehany”, hoy izy, tetsy Anosy, omaly. […]