Other News

Fetin’ny Noely: nampihanta ireo ankizin’ny Akamasoa ny filoha mivady

Toy ny efa fanao isan-taona. Niara-nifaly tamin’ireo ankizy tezain’ny mompera Pedro eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina Andry, sy ny vady aman-janany, omaly. Niarahaba manokana ny vahoakan’Akamasoa nahatratry ny Krismasy ny filoha tamin’ny lahateniny ary nirary soa ny vahoaka malagasy ihany koa.  Nankasitrahany ny ezaka vitan’ny mompera Pedro amin’ny […]

Jery todika… ivoho

Amin’ny famaranan-taona na tonon-taona toy izao, fomba ny manao jery todika ny lasa: inona ny tsy vita, ny mila harenina, ny tsara tohizana? Miainga amin’izany ny famaritana sy fanoritsoritana ny hatao sy kendrena amin’ny ho avy. Sao ny eo tsy vita ka be famaritra, na efa nitera-pahavoazana ny teo aloha […]

Ankatso: jiolahy tratra nanendaka teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be

Voasambotry ny polisin’ny FIP teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Ankatso, afakomaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, manara-maso ireo toerana be mpifamezivezy hatrany ny polisy mba hisorohana ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpanao ratsy. Voakasik’izany ny eny […]

Mpanaparitaka héroïne: voaheloka dimy taona an-tranomaizina i Fortuno

Nivaly ny didim-pitsarana fa midoboka dimy taona any am-ponja, sazy mihatra, ny lehilahy iray atao hoe Fortuno. Mpanaparitaka rongony mahery vaika tao Toamasina, ny 22 desambra teo.  Voasaringotra tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina izy sy ny namany efatra mianadahy hafa. Nokasain’ireo haondrana  tao Toamasina ireo héroïne avy any Nosy Be ireo. Nalefan’ireto […]

Tsy fandriampahalemana: mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona, teny Ankeniheny, ny zoma, teo noho ny halatra nataony. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tratra ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny polisim-pirenena ka voasoroka izany. Vokany, natolotra ireo mpitandro filaminana ny tenany hanohizana ny famotorana. Ankoatra ity, jiolahy iray koa no tratra teo […]