Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-panjakana ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, tanjona ny hampandrosoana ny toekarena entina hanatsarana ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra. Nihaona tamin’ny masoivohon’i Belzika, Peter Maddens ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, omaly tetsy Ambohidahy. Niompana tamin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. […]
Other News
Tompony mangataka atiny
Mandalo andro ratsy i Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny ora manerana ny faritra maro. Anisan’izany ny eto an-drenivohitra izay niharo havandra sy tafio-drivotra tamin’ny sakeli-tanàna sasany. Mamaivay kanefa manjombonjombona hafahafa ilay toetry ny andro. Tsy hita izay andraisana azy fa ilay volonandro mitondra aretina sy fahasorenana mihitsy. Mifanindran-dalana amin’izany, tsy […]
Lalàna mifehy ny tanim-panjakana : natomboka ny fakan-kevitra manerana ny Nosy
Nanomboka omaly ny varavarana misokatra hakan-kevitra ho an’ny daholobe etsy amin’ny domaine Anosy. Izany no atao mba hahafahana manova ny lalàna laharana 2008-014, notakin’ny filankevitry ny minisitra. “Mbola maro ny olana ahafahan’ny hafa mangalatra tany, matoa mbola misy ireo menomenona mahakasika izany ka antony hanovana ny lalàna”, hoy Ramasimbamalaza Olivier […]
TSELATRA
Nodimandry ny alatsinainy teo ny Jly Andriambao Ramisa Nantenaina. Nivoaka tamin’ny andiany faha-19 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe izy. Manamboninahitra nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Foloalindahy Malagasy. Efa kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana tao Tsiribihina izy. Iray andro monja taorian’ ny nahalasany anefa, nodimandry koa ny vady andefimandriny ny talata teo. […]
Mahavoky – Mahajanga : lehilahy iray tratra nitondra basy PA
Saron’ny polisin’ny UIR miasa ao Mahajanga tao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo afakomaly ny lehilahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy fa misy olona hafahafa fihetsika eo akaikin’ny trano fisotroana iray eny Mahavoky Atsimo. Niroso tamin’ny fitsirihana ny toerana misy ity lehilahy ity ny polisy ka […]






