Manitatra ny ambaindain’ny fifandraisan-davitra ny vondrona Airtel Africa. Misy ny fiaraha-miombon’antoka ataony amin’ny orinasa Cisco, ao anatin’ny tolotra NaaS amin’ny lafiny niomerika. Mihazakazaka ny firoboroan’ny tontolo niomerika aty Afrika. Tsy mitsaha-mitombo ny filan’ny orinasa sy ny mpandraharaha. Izany no antony nametrahana ny vovonana, ny Network-as-a-service (NaaS), ahitana karazana tolotra samihafa […]
Other News
INDRAY MIJERY
Mamarana ny asa fananganana ny tobin’ny mpamonjy voina ao amin’ny oniversiten’Antananarivo ny orinasa miandraikitra izany amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny oniversite no ahafahana manao ny asa miaraka amin’ny Pnud. Tanjona ny hahafahana mifehy ny afo haingana raha sanatria misy firehetana eny an-toerana. Zana-kazo ananambo, baobab, kily, […]
Kitra – EGBM: Sekoly hanofana ankizy ho lasa mpiandry tsatoby
Sambany hisy ny sekoly manofana mpiandry tsatoby eto Madagasikara. Hisokatra manomboka ny sabotsy 9 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja synthètique Betongolo ny Ecole de gardien de but de Madagascar (EGBM). Nanangana izany, Rasolofoniaina Pascal Honoré, mpiandry tsatoby tao amin’ny USJF Ravinala teo aloha ary efa nandrafitra ny […]
Rugby – « Super Coupe 2023 »: lasan’ny FTM Manjakaray ny amboara
Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboaraben’ny “Super Coupe 2023”, taranja Rugby, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Resin’izy ireo tamin’ny isa tery 38 no ho 36 ny Cosfa miaramila. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, hita fa nifandanja tanteraka ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Ady sahala 21 no ho 21 no nentin’ireto ekipa roa […]
DAKA AN-JORONY: mpanambola, vola baoritra
Ekena fa ny vola no hozatry ny fiainana, araka ny oha-pitenena malagasy. Tsy misy zavatra mandeha tokoa raha tsy eo io singa iray io. Hiankinan’ny seha-pihariana rehetra ny vola saingy manimba zavatra maro ihany koa raha tena omena laka. Anisan’ny miteniteny mihitsy izy amin’izao fotoana izao, eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. […]






