Fahombiazana tanteraka no azon’ny ekipan’ny GNVB, omaly, nandritra ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball. Samy hiatrika ny famaranana, anio, ny GNVB lahy sy vavy. Voatazona aloha hatreto ny fanamby napetraky ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena. Nambaran’ ny mpanazatra, Razafinjatovo Jean Honoré, tany am-piandohan’ity fifaninanana ity […]
Other News
Tsipy kanetibe : hahazo 2 tapitrisa Ar izay tompondaka
Hotanterahina, anio sy rahampitso, eny Tanjombato, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay voahosotra ho tompondaka amin’izany. Homena 500 000 Ar kosa izay tompondaka amin’ny “doublette” sokajy vehivavy. Ankoatra izay, misy ihany koa […]
Rugby – «Super coupe»: hanalavela amin’ ny Cosfa ny FTM
Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izay tena laharana voalohany amin’ny taranja rugby. Hiady izany, amin’ny alalan’ny “super coupe de Madagascar” ny FTM tompondaka sy ny Cosfa tompon’ny amboara. Hangotraka io fihaonana io satria ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Raha teo amin’ny fihaonana farany, nivoaka […]
VAOVAO TAMBATRA
Mihena hatrany amin’ny 40% ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manampy trotraka ny fisian’ny tahiry ambin’ny famokarana noho ny fiakaran’ny tolotra mihoatra ny tinady. Mandray anjara 4-6% ny harinkaren’i Madagasikara ny orinasa Ambatovy. Mihena 12 000 t ny vokatra lojy fotsy raha toa ka 30 000 t izany teo […]
Fadintseranana : manomboka ny tetikasa ho an’ny mpisotro ronono
Notanterahina ny 1 marsa 2024, teny Ihazolava, kaominina Ambohimandroso, ny fambolen-kazo ho an’ny fianakaviamben’ny fadintseranana malagasy. Zana-kazo fihinamboa miisa 2500 no novolen’ireo tomponandraikitra maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ity departemanta ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjon’ny hetsika ny hanajarina ny velaran-tany 110 h, izay an’ny fadintseranana, ho toeram-pambolena sy […]






