Other News

FANTINA sy FINTINA

3,92 % ny taham-pitomboan’ny isan’ny mpifidy, rehefa naravona ny lisitry ny mpifidy fanampiny sy izay nesorina, araka ny tatitry ny Ceni notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly. Hatao ny 15 mey kosa ny fandrafetana ny rejisitra amin’ny fifidianana. Tetikasa telo no niaraha-nanao sonia teo amin’ny praiminisitra sy ny […]

Filoha Rajoelina Andry : mandray anjara amin’ny “Antalya Diplomacy Forum 2024”

Anisan’ny miatrika ny “Anta­lya Diplomacy forum 2024”, any Torkia, ny filohan’ny Re­poblika malagasy, Rajoelina Andry. Omaly no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny Nest Convention Center izay fihaonana izay. Filoham-pirenena sy filoham-panjakana miisa 19 no mandray anjara amin’izany ary manodidina ny 73 ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Fampiroboroboana ny diplomasia mandritra ny […]

Safidy tsy voavidy

  Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Amin’izany, efa misy mihetsika ireo kandidà na manolo-tena na te hatolotry ny vondrona na antoko politika misy azy: midina ifotony, manambitamby vahoaka, mamalifaly… Misy mahavatra mandoka tena amin’ny asa vita. Mby amin’ny hoe fomba fiady ihany izany, na misy tsy mendrika […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra: Voatendry ho PDS Ramanambintana Richard

Novakin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Razafiarison Jean, tetsy Anosy, omaly, ny didim-pitondrana manendry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), ho an’Antananarivo Renivohitra. Voatendry amin’izany toerana izany, Ramanambintana Richard. Niainga amin’ny fahabangan-toerana, taorian’ny naha voatendry ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina, lasa minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izao fanendrena izao. […]

TSELATRA

Zazalahy menavava hita faty teo amoron-dranomasina atsinanan’ny seranam-piaramanidina Mananjary, omaly maraina. Narian’ny reniny niteraka azy io zaza io, araka ny angom-baovao. Manana olana eo amin’ny fahasalaman’ny saina ilay renim-pianakaviana. Jiolahy roa lahy maty voatifitry ny zandary tao Ankadinondry, Tsiroanomandidy, afakomaly. Naratra mafy ny mpitondra taxi-moto iray vokatry ny asan-jiolahy tao […]