Anisan’ny miatrika ny “Antalya Diplomacy forum 2024”, any Torkia, ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Omaly no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny Nest Convention Center izay fihaonana izay. Filoham-pirenena sy filoham-panjakana miisa 19 no mandray anjara amin’izany ary manodidina ny 73 ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Fampiroboroboana ny diplomasia mandritra ny […]
Other News
Safidy tsy voavidy
Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Amin’izany, efa misy mihetsika ireo kandidà na manolo-tena na te hatolotry ny vondrona na antoko politika misy azy: midina ifotony, manambitamby vahoaka, mamalifaly… Misy mahavatra mandoka tena amin’ny asa vita. Mby amin’ny hoe fomba fiady ihany izany, na misy tsy mendrika […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra: Voatendry ho PDS Ramanambintana Richard
Novakin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Razafiarison Jean, tetsy Anosy, omaly, ny didim-pitondrana manendry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), ho an’Antananarivo Renivohitra. Voatendry amin’izany toerana izany, Ramanambintana Richard. Niainga amin’ny fahabangan-toerana, taorian’ny naha voatendry ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina, lasa minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izao fanendrena izao. […]
TSELATRA
Zazalahy menavava hita faty teo amoron-dranomasina atsinanan’ny seranam-piaramanidina Mananjary, omaly maraina. Narian’ny reniny niteraka azy io zaza io, araka ny angom-baovao. Manana olana eo amin’ny fahasalaman’ny saina ilay renim-pianakaviana. Jiolahy roa lahy maty voatifitry ny zandary tao Ankadinondry, Tsiroanomandidy, afakomaly. Naratra mafy ny mpitondra taxi-moto iray vokatry ny asan-jiolahy tao […]
Efa nahazo vola 20 tapitrisa Ar : saron’ny polisy i Mohamed sy i Patrick mpisoloky gagilahy
Mirongatra izaitsizy ny fisolokiana avolenta ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Nanome baiko hentitra ny talem-paritry ny filaminana anatiny ao Toamasina, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, amin’ny hanenjehana ireo jiolahy tompon’antoka amin’izany. Nahitam-bokany izany, araka ny tatitra nampitain’ny kaomisera Ratsimbazafy Tolojanahary Jean Philippe, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niainga […]






