Araka ny efa nampahafantarin’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball, ho avy eto Madagasikara ny solontenan’ny CAVB Zone 7, hanara-maso mahakasika ny fanomanan’i Madagasikara, ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7. Fantatra fa ny 15 febroary izao no ho avy eto izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny FMVB. […]
Other News
Padel : hanohana ny MPPT ny Orange Madagascar
Taranja vaovao, efa misandrahaka amin’ny toerana maro eto Madagasikara ny Padel. Na tsy mbola misy federasiona misahana izany aza, maro ireo fifaninanana ho tanterahina atsy ho atsy. Manome tanana azy ireo, araka izany, ny Orange Madagascar. Ny taona 2019 no tonga teto Madagasikara ny taranja Padel, mitovitovy amin’ny tenisy. Vetivety […]
INDRAY MIJERY
Miroso amin’ny asa fanapenana ny lalana feno lavadavaka eto Antananarivo indray ny faritra Analamanga taorian’ny fanadiovana ny fako tetsy Anosimpatrana. Niteraka fahasimban’ny lalana ny firotsahan’ny orana matetika ka ilana fanarenana haingana izany mba tsy hiitatra. Nanomboka tamin’ny lalana etsy Ampasika 67 ha izy ireo, omaly ary mitohy hatreny Andavamamba. Anaovan’ny […]
Antoko Monima: “Tsy tanteraka ny fitakiana tamin’ny 2009”
Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo fahatsiarovana ny faha-15 taonan’ny 7 febroary tetsy Antaninarenina ny eo anivon’ny Monima, omaly, amin’ny alalan’ny mpitarika, i Monja Roindefo. Nambarany fa mbola mijoro hatrany izy ireo hatramin’izao. “Tsy misy tanteraka ny tolona sy ny fitakiana tamin’izany”, hoy izy. Notanisainy ny tsy mbola fipetrahan’ny demokrasia mivantana eo amin’ny […]
Randriamasinoro Ny Rina: « Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana »
Nitondra fanazavana sy fanentanana mahakasika ny maha zava-dehibe ny fisoratana sy fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana, Randriamasinoro Ny Rina, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara (Tim), omaly. “Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidinana, ahafahana manintsy amin’ny ampahany izany lisitra izany. Io lisitra io izay nahitana tsy fahatomombanana maro nandritra ny […]






