Other News

Tsy fanarahan-dalàna eny amoron’Andralanitra : sarona ary nogiazana ny fitaovana nanotorana tany

Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, ny herinandro teo, fa nahazo tatitra amin’ny fanotorana tany tsy ara-dalàna eny amoron’Andralanitra ny tenany. Sarona izany ary efa mandeha ny fanadihadiana. Naniraka ny polisin’ny fa­na­jariana ny tany “Ser­vice de Police de l’Amé­na­gement du Territoire – SPAT) ny tenany […]

TSELATRA

Voasambotra ilay namono mpitsabo mpanampy, ny 23 septambra teo, tao Vohilengo- Farafangana. Naiditra am-ponja ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy. Nifanena taminy tao anaty haizina, notolominy ary nanamparany ny filan-dratsiny io mpianatra ho mpitsabo io. Notsindrominy tamin’ny vy ny fivaviany taorian’ny filan-dratsiny ary nodarohany tamin’ny hazo ny tendan’ilay vehivavy. Tratra […]

Maintirano : manampy Gaspar, maty voatifitry ny dahalo

Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo nanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tao amin’ny ka­ominina ambanivohitr’i Beta­nantanana distrikan’i Main­tirano, ny zoma teo, ny miaramila kilasy faharoa, i Manampy Gaspar. Anisan’ireo miaramila mahery fo, niasa tao amin’ny holafy fibaikoana sy fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Bataillon d’infantérie Maintirano izy. Tsy nihemotra fa nanatanteraka antsakany […]

Fisolokiana: kaomisera misotro ronono voasambotra

Kaomisera divisionera efa nisotro ronono no tratra nisoloky. Milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana sy mpiasa ao amin’ny INFA izy. Maro ireo olona efa voasolokiny… Tsy mety fay mihitsy! Notanana am-ponja vonjimaika ny kaomisera divizionera misotro ronono nisoloky ho mahatafiditra mpi­asam-panjakana tao Moron­dava, ny zoma 2 febroary teo. Naka vola tamin’olona, milaza […]