Other News

Vokatra fanondrana : Natao lavanty ny lavanilan-dRavatomanga

Natao lavanty ampahibemaso tao amin’ny efitrano fitsarana ambony ao Toamasina, ny 26 marsa teo, ny lavanilan’ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy. Vokatra tao anatina kaontenera miisa 15, nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambo tao an-toerana. Nitarika ny hetsika ny sampandraharaha misahana ny famerenana ny harena sy vola azo amin’ny tsy rariny ho anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. […]

Tsenan’ny vola : Mivoaka ny « courbe des taux » ho an’ny Ariary

Navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy ny “courbe des taux de référence” ho an’ny Ariary, nandritra ny lanonana natao teny Antaninarenina. Nanamafy izany ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo banky enina mpandray anjara. “Ny courbe des taux dia mampiseho ny rafitry ny tahan’ny zanabola amin’ny fifanakalozana eo amin’ny banky amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Niara-nifety tamin’ny vahoakan’Ihosy ny Filoham-panjakana mivady, ny alatsinain’ny Paka teo. Nanolotra 40 tapitrisa Ar, nofon-kena mitam-pihavanana sy omby 10 hafa ho fanampiana ara-tsakafo izy mivady. Teo koa ny vary 25 kg sy kojakoja (PPN) ho an’ny tokantrano miisa 1 500. Nisitraka fitaovam-pianarana koa ny EPP Centre II ao Ihosy. Misy […]

Holafitry ny mpanao gazety: Enina ny kandidà ho mpikamban’ny Ceni

Hotanterahina ny 10 avrily ho avy izao ny fifidianana izay ho solontenan’ny Holafitry ny mpanao gazety eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na Ceni. Fito no nandefa antontan-taratasy. Enina no nahazo ny fankatoavana. Efa vita rahateo ny antsapaka mahakasika ny filaharan’izy ireo anatin’ny lisitra isafidianana. Mitondra ny laharana […]

Tsy azo enjehina koa?

  Firenena hafakely mihitsy ity Madagasikara malalantsika ity, amin’ny ankapobeny. Aiza dia mangataka ny zo tsy azo atao na inona na inona ihany koa ry ben’ny Tanàna isan-tsokajiny, ankehitriny. Asa, inona loatra no mahatonga azy ireny haka tahaka ny solombavambahoaka. Ny afitsok’ireto farany amin’ny endrika fandikan-dalàna samihafa, saingy tsy azo […]