Other News

Politika ankapoben’ny fanjakana : mahazo mitondra soso-kevitra ny depiote

Nisokatra omaly, ary tsy hihoatra ny 12 andro, ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ ny parlemanta. Anisan’ny nisongadina teny Tsimbazaza ny fisokafana ho amin’ny hanatsarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). “Araka ny And. 99 ao amin’ny Lalàmpano­re­nana, manana he­vitra sy afa-mitondra soso-kevitra ihany koa ny solombavambahoaka, raha misy ny ilàna […]

INDRAY MIJERY

Manoloana ny fitarainana niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny fanomezan-dra, nilaza ny sampandraharaha misahana ny famindrana ra fa maimaimpoana ny fanomezana izany ho an’ireo marary eny amin’ny hopitaly. Tsy maintsy mitondra olona roa kosa hanolo ny ra iray paosy, hanampiana ny tahiry. Manao fanentanana ny kaominina An­ta­na­na­rivo Renivohitra amin’ny hamenoana […]

Fandraharahana: vonona hampandroso ny indostria malagasy ny UE

Hiara-kiasa akaiky ny Vondrona eoropeana (UE) sy ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Voalaza izany, nandritra ny fifanakalozan’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, sy ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeana, Isabelle Delattre Burger, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena manokana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny momba ireo […]

Jobily faha-25 taona : miara-miasa ny sekoly Emit sy ny Airtel

Manomana ny faha-25 taona niorenany ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny fitantanana sy ny fikarohana ara-teknolojia (Emit) any Fia­narantsoa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ny orinasa Airtel Madagasikara. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sekoly, ny mpampianatra, ny solontenan’ny mpianatra ary ny fikambanana samihafa any an-toerana, ny avy amin’ ny Airtel, notarihin’ny tale jeneraly […]

Taninketsa indostrialy: hapetraka isaky ny kaominina

Paikady vaovao indray no entin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Hapetraka isaky ny kaominina ny taninketsa indostrialy. Anatin’ny fanatanterahana izany ny minisitera amin’izao fotoana. Nahazo ny anjara taninketsany indostrialy Antsirabe an-tampon-tanàna sy Betafo. Nisitraka milina mpanodina paoma ho lasa vinaigre […]