Other News

Nandritra ny 54 taona : mitentina 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola nataon’ny BEI

Mpiara-miasa akaiky amin’ny fanjakana malagasy ny Banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola (BEI), amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa atao eto amin’ny firenena. Hatramin’ny taona 1970, nahatratra 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara. Manodidina ny 43 ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banque européenne d’investissement (BEI) teto Mada­gasikara, hatramin’ny taona 1970, […]

Harena an-kibon’ny tany: mihoatra ny 50 ny fandikan-dalana

Nilaza ny tale jeneralin’ny fadintseranana (DGD), La­hinkana Zafivanona, ny herinandro lasa teo, fa mihoatra ny 50 ny fandikan-dalàna mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, tratran’ny sampandraharan’izy ireo, nandritra ny taona 2023. Nomarihiny fa tsy teny amin’ny seranan’ Ivato ihany no nahitana izany fa saika ireo seranam-piaramanidina manana zotra mankany ivelany. Anisan’izany […]

Fanazavana ny arabe: nahazo jiro ny fokontany 9 ao Ambohidratrimo

Dimy taona tsy nisy jiro! Mazava ankehitriny ny arabe eny amin’ireo fokontany miisa 9 ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miampy ampola miisa 80 napetraka amin’ny andrinjiron’ny Jirama. Tan­te­raka izany, vokatry ny tohana nataon’ny fikambanana Za­nak’Ambohidratrimo Maro­va­tana (Zam), tarihin’ny filohany, Rabary Hery, ny faran’ny herinandro lasa […]

Vina 2035: Afaka mandray kaontenera 1 tapitrisa ny seranan’i Toamasina

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tanjona lehibe ny hahafahany mandray kaontenera 1 000 000 amin’ny taona 2035. Dinidinika niarahana tamin’ny tale jeneraliny (DG), Avellin Christian Eddy. Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ? Avellin Christian Eddy (-) : Nanomboka ny […]

TARATRY ny KANTO

Hitohy hatramin’ny 17 febroary 2024 ny fampirantiana sary hosodoko, eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika. Nifarana ny 26 janoary 2024 izany, raha ny drafitra napetraky ny mpikarakara. Mpahay kanto maro samihafa no miaraka mandranty ny haikanto eny an-toerana mandritra ireo fotoana ireo. Rajery Trio, any […]