Other News

15 taona an-tsehatra: Feno fihetseham-po ny sehon’i Farakely

Dingana iray tsy nandalo fotsiny fa nipetraka ho tantara ny seho nanamarihin’i Farakely sy ny tariny ny faha-15 taona. «Rotsirotsy». Feon-kira nambabo ny iray efitrano no nanombohany ny sehon’i Fa­ra­kely, nanome ny endriky ny tohiny… Tsara petraka, voaomana, nirindra, manaporofo ny traikefa nivangongo nandritra ny 15 taona niakaran’i Farakely an-tsehatra […]

TARATRY ny KANTO

Revy Mahaleo, nampiditra ny fankalazana ny faha-55 taona. Mazava loatra, feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly. Mpijery amin’ny sokajin-taona rehetra, nahitana ireo raiamandreny mitovy amin-dry Dama sy Bekoto, ireo zokinjokiny, ireo mitovy taona amin’ny Mahaleo Taranaka ary ireo mbola zandry fa mpankafy ireo tonga nianoka ireo hira tsy tontan’ny ela. […]

Baolina kitra : Nisongadina ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny lalao ara-pirahalahiana, hitadiavana vola hanampiana an’i Toamasina. Nahita fandresena teo anatrehan’ireo ekipa voafantina avokoa na ny Disciples FC Vakinankaratra na ny Elgeco Plus Analamanga. Ny solontenan’Analamanga nandavo ny mpilalao mendrika kaonferansy atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 1. Etsy ankilany, resin’ny […]

Basikety- Mondial 2027 : Lavon’i Sénégal ny Ankoay Madagasikara

Hatramin’ny asabotsy teo, tsy mbola nahita vokatra tsara tamin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny ”Mondial 2027” ny Ankoay. Resy fanindroany teo anatrehan’i Sénégal indray izy ireo. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Marius Ndiaye Dakar, Sénégal, ny andro faharoan’ny fifanintsanana Mondial izay hatao any Qatar, ny taona 2027. Niondrika teo anatrehan’ny […]