Other News

Voaheloka ny handroso !

  Migadona ny andro iray hanamarika ny tantaran’i Madagasikara. Hivoaka anio ny voka-pifidianana avy eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Didy tsy azo ivalozana. Izay tapaky ny mpitsara ambony eo dia tapaka. Nitohy mandraka ny omaly ny fandinihan’ny mpitsara ny fitarainana sy ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany. Na inona na […]

Lanonana etsy Ambohidahy : mety hanamafy ny voka-pifidianan’ny Ceni ny HCC

Hotanterahina anio, etsy amin’ny HCC, ny lanonam-panjakana famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena. Tsy hiova firy amin’ny efa navoakan’ny Ceni ny hambaran’ireo mpitsara avo na eo aza ireo tsy fahatomombanana sy fitoriana. Hisongadina eo amin’ny tapany voalohany amin’izany ny fitanisana ireo fitoriana na fitarainana miisa 15, arahin’ny valin’izany, ho entin’ireo mpitsara. Samy […]

TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana iray nifatratra tany anaty tanimbary tetsy Tsarasaotra, omaly atoandro. Avy nifaoka fiaran’olon-tsotra , nitsoaka nandositra io fiara io, nentin’ny mpamily. Nivarina tany an-tanimbary anefa izy rehefa nahazo ny lalam-baovao mampitohy an’Ivato sy Tsarasaotra. Tsy hita popoka ilay mpamily ny fiara. Lehilahy mpivarotra rongony voasambotry ny polisin’ny STUP […]

Maro ireo efa voafitaka…: tratra ireo jiolahy milaza ho mahay mampitombo vola

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Toamasina, omaly, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fisolokiana olona ao Soanierana Ivongo. Milaza ho mahay mampitombo vola sy mampanan-karena olona ry zalahy ireto. Mody mifampiresaka amina fanahy tsy hita maso ireto mpisoloky mba hampitomboana ny vola tadiavin’ireo olona solokiany. Miantso olona solokiany amina finday ry […]

Maevatanana: Jiolahy namaky tranona zandary

Jiolahy iray maty voatifitra rehefa niditra tao amin’ny faritry ny tranon’ny zandary iray miasa ao Maevatanana, afakomaly alina. Fantatra, araka ny fampitam-baovao nomen’ny zandary, fa trano roa no notafihan’izy ireo tamin’io alina io ka anisan’izany ny tranona zandary iray io. Henon’ilay mpitandro filaminana anefa izany ka voatifitra avy hatrany izy. […]