Hampirisihina ny fampidirana ofisialy ireo tomponandraiki-pivavahana ho anisan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina. Nisongadina izany tamin’ ny fihaonan’ny arsevekan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, taorian’ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, afakomaly, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mba hanatevenana ny fiaraha-miasa amin’ny fanarenana ny […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Nahemotra ny “Tsapiky Festivaly”, izay tokony ho notontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any Toliara. Noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny antony hanemorana izany amin’io volana marsa io. Manampy izany ny fiombonam-po amin’ireo traboina any amin’ny faritra Atsinanana, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza, raha ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny […]
CCI Ivato : Hanokafana ny faha-55 taonan’ ny tarika Mahaleo
“Fihavanana tsy ravan’ny taona” ihany no lohahevitra hanamarihana ny faha-55 taonan’ny tarika Mahaleo. Hatomboka ny 1 marsa izao izany ka hitohy amin’io taona ho avy io. “Tadidiko ry zalahy, tamin’ny 72…”, hoy ny tononkiran’i Dama. Hira nataony kokoa ho an’ireo namany, ho an’ny fiarahana, ho an’ny tarika Mahaleo iny. 54 […]
Federasionina malagasin’ny baolina kitra: Mikarakara lalao ara-pirahalahiana hanohanana an’i Toamasina
Ho fanohanana ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ao amin’ny faritr’i Toamasina, manomana lalao ara-pirahalahiana sy firaisankina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Fihaonana roa lehibe no handeha amin’io fotoana io. Ao anatin’izany ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus […]
“Basket Unity Game” : Nisongadina ny Malagasy
Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Oceanis Park Ambohidratrimo, ny fifaninanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, nitondra ny anarana “Basket Unity Game”. Nisongadina ny ekipa avy eto an-toerana raha ny vokatra omaly. Nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny AS Saint Michel nanoloana ny ekipan’ny Hammers avy atsy Maorisy. Isa 74 no ho 38 […]







