Mitohy ny fitsinjovan’ny fikambanana Zanak’Ambohidratrimo Marovatana (Zam) ny mponina. Nanolotra fampitaovana ny fianakaviana sahirana izy ireo, notarihin’ny filohany, Rabary Hery, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny fokontany Atsimomparihy. Anisan’ny nisitraka izany Rtoa Rasoa, mpanasa lamba, izay nitsotra fa ahafahany mampitombo ny fidiram-bolany, ny fanampiana toy izao. Taorian’ izany, nanao fanadiovana […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Nanomboka ny 23 novambra teo ny fanamboarana ny lalana Faravohitra sy Ambohiborona. Any anatin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ity toerana ity. Mirefy 33 km ity lalana ity, ka anisan’ny hatao ny any Ampakandrano sy Ambatofotsikely. Hamafisina koa ny vahilava. Natao teny amin’ny toerana Au Bois Vert eny Ivato, ny 24 […]
Jirama: miisa 5 321 ny fampidiran-jiro vita
Mandroso ny asa fanatontosana ny fangatahana ny fampidiran-jiron’ny Jirama tsy mbola vita, izay efa nahaloa ny tetibidin’ny asa. Mahatratra 16 950 ny fangatahana eo am-pelantanan’ny Jirama manerana ny Nosy. Mandroso ny fanatanterahana ny asa, ka miisa 5 321 ny fangatahana efa tafiditra ny jiro. Any amin’ny faritra ny 2 935 […]
Tsy araka ny vinavina : mbola 12 500 t ny letisia naondrana
Tsy tratra hatramin’izao ny tanjona hanondrana letisia 18 000 taonina. Ny varotra anatiny no hivarotana ny ambiny. Hiainga eto Toamasina rahampitso talata 28 novambra 2023 ny sambo Crown Saphire ho any Rosia sy Azia, hitondra letisia milanja 2 000 taonina. Sambo fahatelo izy ity, raha efa nandeha, anio 27 novambra […]
Olana amin’ny fifidianana : ny HCC no mandray ny fitarainana…
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa anjaran’izy ireo ny mamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika, araka ny voalazan’ny lalàna. Anjaran’ny HCC samirery kosa ny fanambarana ny voka-pifidianana ofisialy. “Tahaka izany koa ny fikirakirana ireo fitarainana sy ny fifanolanana samihafa. Rafitra mahefa tendren’ny lalàna hany afaka misahana izany ny HCC”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny […]






