Other News

FIVONDRONAmben’ny eveka : hihaona amin’ny papa Fransoa any Vatican

Nambaran’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien omaly, fa hihaona amin’ny papa Fransoa ny eo anivon’ny biraon’ny Fivondro­namben’ny eveka (Fem), amin’ity herinandro ity. Efa fanao isan-taona ny fihaonana tahaka izao, ankoatra ny fihaonan’ny eveka rehetra amin’ny fiketrahana Masina, isaky ny 5 taona, araka ny nambarany. ”Horesahana aminy ny mom­ba ny fiainam-pirenena, indrindra […]

Mandry tsy lavo loha

  Vita izay ny fifidianana ! Mangingina ny tanàna. Milamindamin-dratsy ny andavanandron’ny mponina eto an-drenivohitra. Mitohy ny fiainana andavanandro na misy aza ny tso-drivotra hafahafa, mitsoka any ambadimbadika any. Rivotra politika, izay iniana voizina mba ikorontanana. Tsy hay mazava ny ipoirany fa izy efa mahoraka etsy sy eroa no manaitra. Ny […]

Voka-pifidianana : Anjakan’ny kandidà Rajoelina ny faritany enina

Navoakan’ny Ceni, omaly, ny fironana amin’ny voka-pifidianana amin’ny faritany enina. Mbola mitarika ny kandidà Rajoelina raha ifandimbiasan’ny kandidà Ravalomanana Marc sy Randrianasoloniaiko Siteny kosa ny laharana faharoa. Nahazo ny salanisa 62% ny kandidà laharana fahatelo eto amin’ny faritanin’Antananarivo raha ny voka-pifidianana nivoaka omaly hariva. Eo amin’ny la­harana faharoa, nahazo ny 19% […]

Fipoahana herinaratra: ravan’ny afo tanteraka ny « Espace Dera », eny Tsiadana

Nivadika lavenona tao anatin’ny minitra vitsy ny “Espace Dera” eny Tsiadana Ampasanimalo, omaly atoandro. Niparitaka tamin’ny orinasa hafa ny afo. Trano fandrasain-danonana malaza sady fisakafoana niampy orinasa roa hafa may, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy 28 minitra. “Niainga tao amin’ny efitra ambony rihana, espace Dera, ny afo”, hoy ny mpiasa […]

TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray 55 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana, teo amin’ny fiolanana Boanamary, Mahajanga, afakomaly hariva. Na­naraka kamiao mpitaona fasika io lehilahy io. Niharan-doza tampoka ny fiara narahiny ka maty voatsindry io lehilahy io. Renim-pianakaviana may kilan’ny afo tao Tamatave, ny 16 oktobra teo. Ahiny ho ny mpanampy azy […]