Other News

Madagascourt Film Festival : handray anjara amin’ny hetsika ireo vahiny

Nitombo hatrany ireo ma­nam-pahaizana sy andrare­zin’ny horonantsarimihetsika handray anjara amin’ny Ma­dagascourt Film Festival, andiany faha 18. Teratany vahiny telo, samy manana ny mampiavaka azy, ary sangany eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika ny hi­tondra ny traikefany sy fahaiza-manaony, ao anatin’ity andiany faha 18, atao ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, […]

“Hasambarana iray felatanana” : hitondra teatra poetika i Nirihaja sy ny Volivolana

Amboaran-tononkalo, rakikira fihaino ary teatra poetika no indray mitambatra anatin’ny “Halo Project”. Indray ampahafantarin’ny mpanoratra Nirihaja sy ny Volivolana sabotsy izao izany. Teatra poetika. Raisina amin’izay fanagasiana izay aloha ny “théâtre poétique”, mandra-pisian’ny dikanteny malagasy. Endri-tseho tsy mahazatra firy, satria ny tononkalon’ny mpanoratra iray no lalaovina an-tsehatra toa ny teatra. […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga, ny alakamisy 14 desambra izao, ao amin’ny Lapan’ny tanàna. Manentana ireo mpifankatia vonona hiroso amin’ny fanambadiana hampanara-dalàna ny tokantrano ny fiadidiana ny Tanàna. Tanjona ny ialana amin’ny tokantrano imaso. Tsy marin-toerana ny atmosfera ho an’ny telo andro manaraka eto Madagasikara. Hisy, araka izany, […]

Andramasina : nahazo milina hanodinana ovy ho lasa chips

Hamokatra chips hatramin’ ny 100 kg isan’ora ilay milina napetraka ao Andramasina, ny zoma teo, tamin’ny alalan’ ny taninketsa indostrialy (ODOF). Tetikasa hanomezan-danja ny vokatra eny ifotony, hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra. Manodidina ny 25 000t isan-taona ny ovy mivoaka avy ao amin’ireo kaominina maro­maro ao anatin’ity distrika ity, toy […]

Fizahantany- Volana oktobra: maherin’ny 28 450 ireo tonga teto amintsika

Velom-panantenana. Tsara ny vokatra raha ny fizahantany teto amintsika, ny volana oktobra teo, no jerena. Maherin’ny 28 450 ireo mpi­zahatany tonga nitsika an’i Mada­gasikara. Nampiakatra indray ny toekarena malagasy sy nampidi-bola ho an’ireo mpiantsehatra samihafa. Tao anatin’ny 10 volana, nahatratra 184 824 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ka ny volana […]