Other News

Rakotoarisoa Florent : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana ny 16 novambra”

“Hatramin’izao aloha, raha ny ara-panjakana: amin’ny alakamisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohidahy, omaly. Malalaka ny fanehoan-kevitra, araka ny And. 10 amin’ny Lalàmpano­renana. Malalaka ny fanehoan-kevitra na avy amin’ny antoko politika, na avy amin’ny olon-tsotra…Misy, ohatra, […]

Miandry fifidianana

  Amin’ny ankapobeny, roso toy tsa mipody koa ! Mandeha ny fifidianana ary tsy misy mahasakana izany aloha mandraka anio. Rahafakampitso, miroso any amin’ny fandatsaham-bato ny mpifidy miisa 11040 000 mahery. Efa vonona tanteraka ireo any amin’ny rantsa-mangaikan’ny vaomiera mahaleo tena mikarakara ny fifidianana any ifotony. Ny mpandatsa-bato sisa no andrasana. […]

Adh hevitra – Fifidianana: niaro ny fandaharan’asany ireo kandidà

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny CCI Ivato ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà ho filoham-pirenena telo mirahalahy. Nentina nanohanana ny fandaharan’asan’izy ireo izany. Nafana ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà isany, i Andry Rajoelina sy Raderanirina Sendrison ary Randrianasoloniaiko Siteny teny amin’ny CCI Ivato, halina. Niaro hatramin’ny farany ny vinany sy ny fomba fijeriny […]

Fanateram-boninkazo tao Toamasina : maro ny vy karakaram-pasana very

Mbola anjakan’ny asa ratsin’ireo jiolahy hatrany ny fasana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanararaotana rehefa vaninandro ny fahatsiarovana ireo efa nodimandry ny voalohan’ny volana novambra. Lasan’ ireo mpangalatra ny vy karakaram-pasana. Raha ny zava-nisy tao Toamasina nandritra ny fankalazana sy fahatsiarovana ny fanateram-boninkazo tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, maro […]

TSELATRA

Tovovavy roa indray naratra nendahin’ny tontakely teo Analakely, omaly tolakandro. Efa nisy nahatsikaritra izy roa narahin’ireo mpanendaka, saingy tsy afa-nanoatra fa nitazana fotsiny. Lasan’ireo jiolahy ny poketra nisy vola sy finday. Nilaza anefa izy ireo fa handeha hividy fanafody hitsaboana olona tsy salama, kanjo izao lasan’ny olon-dratsy izao ny vola. […]