Other News

Farafangana: ho vita ao anatin’ny telo volana ny aérogare

Hiverina hisokatra tsy ho ela ho an’ny besinimaro ny aérogare vaovaon’i Farafangana. Hetsika mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny sidina anatiny izay kasain’ny Madagascar Airlines hatao. Manan-karena eo amin’ny sehatry ny fambolena jirofo sy lavanila ary vokatra fanondrana i Farafangana. Vavahadin’ny faritra Atsimo Atsi­nanana rahateo ny toerana. Tombony lehibe ahafahan’ireo mpandraharaha sy […]

Mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina : matiantoka vokatry ny toe-draharaha politika

Potika ny fiharian’ireo mpandraharaha sy mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina noho ny toe-draharaha politika miseho amin’izao fotoana. Simba ny toekarena, mihena ny fidiram-bola. Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny Analakely noho ny hetsika, toe-draharaha, politika miseho amin’izao fotoana izao. Lasi­batra tanteraka ny toekarena ka tsy mampidi-bola na ireo mpandraharaha maro […]

VAOVAO TAMBATRA

Tonga, omaly, tany Ihosy, ny milina mamokatra herinaratra 400 KW. Niaina sy niaritra ny fahatapahan-jiro ny mponina any an-toerana nandritra ny telo volana. Niezaka nitady vahaolana ny Jirama sy ny fanjakana foibe, ka izao voavaha izao ny olana. Ho avy tsy ho ela koa ny milina ho an’i Sakaraha. Haharitra […]

Ida-Fiavota: 1 tapitrisa mahery ny afaka tamin’ny kere

Mahatratra 85 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Fikambanana iraisam-pire­nena ho an’ny fampandro­soana (Ida), tahirim-bolan’ny Banky iraisam-pirenena. Na­petraka ny fandaharanasa Fiavota, hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Anisan’ny niaina ny mosary, tamin’ny taona 2016, i Vola­tsarasoa, 33 taona, monina any Malangy, distrika Ambo­vombe. Nambarany fa « tena mafy […]

Tetikasa « Pipeline Efaho »: Manomboka ny asa fanorenana

Manao ny ezaka rehetra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny governemanta, na eo aza ny fifidianana. Mitohy ny tetikasa “Pipeline Efaho”, fametrahana ny fan­tsombe avy amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Vita ny antontan-taratsy mirakitra ny fanadihadiana teknika, sady nivoaka ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Natomboka, omaly 13 novambra, tany Esalo […]