Hita avokoa ny vatana mangatsiakan’ireo zaza mirahalahy kambana, vao telo taona monja, very tany Vatomandry, afakomaly. Hita tao amin’ny reniranon’i Sandramanogny, omaly maraina, ny fatin’ilay zaza voalohany. Ora maro taorian’izay, no hita ny fatin’ilay zaza faharoa.
Other News
Fanafihana Cash point : Jiolahy iray lavo, polisy iray naratra
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany Antsenakisoa Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma. Jiolahy miisa telo, mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy Fusil à pompe sy baraminina ary antsy, nanafika tokantrano mpanao Cash point iray tany an-toerana. Nahatsikaritra olona nampiahiahy nikasa hiditra tao an-trano ny tompon-tsena ka nampandre ny polisim-pirenena avy […]
Fanolanana zaza : Teratany vahiny sy malagasy voasazy
Zazavavikely tsy ampy taona iray lasibatry ny fanolanana sy fanararaotana mamoafady teto Madagasikara. Naparitak’ireo olon-dratsy tamin’ny tambajotran-tserasera ny horonantsary mampiseho fanararaotana ara-nofo ana habaka natao taminy. Nahita izany ny mpanao fanadihadiana amerikanina ka nanokatra fanadihadiana. Niarahan’izy ireo niasa tamin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana amin’ny ambasady amerikanina eto an-toerana sy ny […]
Mandrosoa Ivato : Lehilahy mpampanjana-bola tratra nivarotra basy
Tratra ambodiomby saika hivarotra basy ny lehilahy iray teny Mandrosoa Ivato, afakomaly. Voalaza fa basy miisa roa nataon’olona nindram-bola taminy antoka ireo. Voasambotry ny zandarimaria avy eo anivon’ny GSIS teny Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, ny lehilahy iray nivarotra basy, afakomaly. Loharanom-baovao tsotra no nampita izany tamin’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa misy […]
Alatsinain’ny Paka ao Antsirabe : Hiaka-tsehatra ny Randrampeo Fiderana
Hiavaka ny alatsinain’ny Paka any Antsirabe. Hanatanteraka seho an-tsehatra any an-toerana, ny 6 avrily tontolo andro, ny Randrampeo Fiderana. Hatao ao amin’ny Kianja Maitso Spam Antsirabe izany. Hanomboka amin’ny 9 ora ny seho, araka ny nambaran’ireo mpikambana eo anivon’ny tarika sy ireo mpitandrina, tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, omaly. « Hialohavan’ny […]






