Other News

Unesco sy Men : mitohy sy mivelatra ny tetikasa Stem

Kolosaina sy fanabeazana. Tezaina sy beazina ho tia ny taranja siantifika ny vehivavy. Noho izany, hampitomboina ny isan’izy ireo. Ezahina ihany koa ny hananana fanabeazana mitovy ho an’ny rehetra. Miompana amin’ireo ny tetikasa Stem 2023-2024 (Stem : Science, technologie, ingénierie, mathématique), izay fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Unesco sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena […]

FANTINA sy FINTINA

Nivoaka ny didy manafoana ny fanendrena ny mpitarika ny Semimpiad, Ratefimiharison Richard sy i Famantanantsoa Razafimahazo tsy ho mpitarika ny sendikà eo anivon’ny Antenimierandoholona. Marihina fa miara-dia amin’ny SSM izy ireo momba ny hirosoana amin’ny dinika, mialoha ny fitokonan’ny mpiasam-panjakana. Nihaona tamin’ny Antenimieran’ny andriana merina (AAM) ny Vondrona eoropeanina (UE), […]

Ravalitera Jacques Michaël : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana”

Ho an’izay mbola misalasala? “Tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary ara-demokratika no hanatanterahana an’izany”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni sady mpiahy ny faritan’i Toamasina amin’ny fanatanterahana fifidianana, Ravalitera Jacques Michaël, tany Toa­masina, afakomaly, ny amin’ ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny Ceni amin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato. Efa […]

Misosa moramora

  Mandeha miadana ny fampielezan-kevitra manerana ny lafivalon’ny Nosy, indrindra ho an’ny kandidà telo. Eny an-kianja, manohy ny fandresen-dahatra ny mpifidy ny laharana faha-3 sy ny faha-11 ary ny faha-13. Samy amin’ny paikadiny izy ireo. Raha Manao be fiavy amin’ny seho an-tsehatra sy famoriam-bahoaka ry Randria­nasoloniaiko Siteny sy Rajoelina Andry, […]