Nitohy teny Atsimondrano ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Nambarany tamin’izany ny fampanantenana ho amin’ny fe-potoam-piasana manaraka. “Tsy hisy intsony ny ho hadino. Hampiakarina ny fari-piainan’ny vahoaka ary hampitomboina ny fidiram-bola. Hojerena akaiky ny tsy an’asa sy ireo marefo ary ho tonga isan-tokantrano ny fanampiana”, hoy izy teny Itaosy. […]
Other News
TSELATRA
Taksiborosy iray mampitohy an’i Toliara amin’ Antananarivo tra-doza teo Andohanilakaka, omaly tolakandro tamin’ny 2 ora. Avy nisakafo atoandro, niala lavaka ny mpamily araka ny fanazavan’ny iray amin’ireo mpandeha. Nivadika ny fiara ka mpandeha iray naratra. Tsy nisy aina nafoy. Trano miisa sivy tafo nilatsaham-potaka tao Ambatomarina, fokontany Lavatrafo, kaominina Anjoma […]
Nanohitra ilay mpamily : jiolahy iray maty voatsatok’antsy tao Toamasina
Naratra voatsatok’antsy ny mpamily Bajaj notafihin’ny jiolahy tao Toamasina, ny alakamisy 19 oktobra 2023 lasa teo. Nanohitra izy ka voatsatok’antsy koa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Vokany, namoy ny ainy ilay jiolahy. Avy nanatitra mpiasa tany amina orinasa iray ao Antanandava izy tamin’io fotoana io. Voalazan’ny loharanom-baovao fa manodidina ny 20 000Ar […]
Novonoin-dreniny : nariana tao an- davapiringa ilay zaza
Habibiana tanteraka! Novonoin-dreniny ary nariany tao anaty lavapiringa ny zanaka naterany amam-bolana tao Imerintsiatosika, ny faran’ny herinandro teo. Notaperin’ity renim-pianakaviana iray ity ny ain-janany vao telo volana monja ny alahady 22 oktobra teo, fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika. Nariany tao amin’ny lavapiringa io zanany io. Nolazainy fa nisy nibata tao amin’ny […]
Fanafihana tetsy Namontana : lehilahy roa maty voatifitra
Lehilahy roa, 41 taona sy 25 taona, maty voatifitry ny jiolahy nitam-piadiana tetsy Namontana, omaly hariva. Voaroba ny vola. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Namontana, omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany. Jiolahy efa-dahy nitondra basy sy sabatra lavalela niditra an-keriny tao amina tanàna iray teny an-toerana. “Tsy nisy […]






