Other News

FANTINA sy FINTINA

Vonona hanolo-kevitra sy hamaha ny olan’ny fifidianana ireo administratera sivily (Synad), araka ny nambaran’izy ireo tetsy Anosy, omaly. Niantso ny hitadiavana fitoniana ary vonona hanao ny asany tsy mitanila izy ireo. “Tsy tokony hafangaro ny propagandy sy ny fanehoan-kevitra politika ary ny fihetsiketsehana”, hoy izy ireo. Mitaky ny hirosoana amin’ny […]

Hetsikin’ny kandidà 11: nirava maina toy ny mahazatra ny diabe

Notanterahina omaly, na­nomboka teny Andranomena hatrany Mandrosoa Ivato, ny diaben’ireo kandidà 11. Toy ny mahazatra, samy nirava maina ny rehetra teny an-toerana. Andaniny, ny mpitarika nandao ny mpanara-dia fa hamonjy fivoriana. Ankilany, ny mpanara-dia niverina na­nohy ny asa andavanandrony. Tsy miova ny vontoatin’ny fitakiana: ny tsy hirotsahan’ny filoha teo aloha, […]

Tsy mandeha ila

Mpandresy ! Mpandresy ! Ambeti-tenin’ny mpanao politika ankehitriny. Mba azon’izy ireo an-tsaina ve anefa ny dikan’izany ? Sao sodokan’ny olona marobe fotsiny ny ankolafin-kery rehetra. Mahavariana ny mahita ny vondrona izatsy na izaroa midehaka fa izahay no nahazaka olona be indrindra. Raha ny hamaroan’ny olona angamba no maridrefy hanaovana tombana, mety lany fihodinana […]

Rabetsaroana Sylvain : “Hiteraka fitoniana ny firosoana amin’ny fifidianana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpanao politika, Rabetsaroana Sylvain. Anisan’ny nambarany tamin’izany fa tsy azo ihodivirana intsony ny hirosoana amin’ny fifidianana, ny 16 novambra izao. Nizara ny heviny amin’ny raharaham-pirenena ny mpanao politika, Rabe­tsa­roana Sylvain. Notsiahiviny fa efa nandoa ny anto-bola teny amin’ny HCC ka mpifaninana ofisialy ireo […]

Vaky trano : raim-pianakaviana maty novonoin’ny jiolahy

Nofiraina famaky sady rotiky ny tifitra nataon’ny jiolahy 12 lahy ny raim-pianakaviana iray ka namoy ny ainy tao Betana­tanana Maintirano, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 22 oktobra teo. Nanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy. Raim-pianakaviana sy ny vadiny, samy nohazonin’ireo tsy mataho-tody. Na­lain’ireo mpandroba ny zavamaneno miisa […]