Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika fampahafantarana sy fampianarana ny dihy « Pantsula ». Ny tarika Fishers of man & Lucky Dancers, avy ao Afrika Atsimo no mitondra izany hetsika izany, miaraka amin’ireo vondrona mpandihy eto Madagasikara. Tanjon’ny mpikarakara amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ity dihy ity. […]
Other News
« Artistic meeting » : niray sehatra ny Malagasy sy ny Japoney
Sehatra iray, afaka ifanakalozana sy mampitombo ny fifandraisana eo amin’izao tontolo izao, ny haikanto sy ny kolontsaina. Ankoatry ny fahazoana traikefa sy fahaiza-manao, mampisy sy mampitombo ny firahalahiana sy firaisan-kina ihany koa ireny fifanakalozana ara-kolontsaina sy haikanto ireny. Tontosa omaly, teny amin’ny Maro Madagasikara Ankorahotra, ny hetsika “Artistic meeting” nokarakarain’ny […]
Telotrokin’i Vangaindrano : nanehoana ny fampihavanam-pirenena sy firaisan-kinan’i Toamasina
Tontosa ny faran’ ny herinandro teo ny lanonana ara-drazana nanamasinana sy nametrahana ara-dalàna ireo “Lonaka” na Telotrokin’i Vangaindrano, tany Toamasina. Nanehoana ny fampihavanam-pirenena sy firaisan-kina teo amin’ny foko Antesaka. Telo mirahalahy ireo voafidy natao ho amin’izany. Ny Lonaka Rabevaha na Aban’i Mbine fantatra amin’ny anarana hoe Jean Piere, Lonaka Zafimanga […]
Vaovao tambatra
Afa-nanohy ny asa fivelomany isan’andro ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina, omaly. Mitaraina noho ny fitokonana lavareny sahady izy ireo noho ny tsy fisian’ny fidiram-bola andavanandro. Betsaka ny vola natontona nividianana entana saingy voabahan’ireo mpitokona ny tsena tokony hivarotana. Miisa 64 ny Faritra Arovana (AP), tohanan’ny FAPBM (Fikambanana misahana […]
Iboaka : tafapetraka ny orinasa hanodina ronono 3 000 l
Anisan’ireo toerana 37 nisitraka ny orinasa madinika ny tanànan’Iboaka, faritra Matsiatra ambony, hanampiana ny tantsaha ao an-toerana sy hanatsarana ny fidiram-bolany. Hanodina ronono hatramin’ny 3 000 l isan’andro ity orinasa ity. Hividy ny ronono vokarin’ireo mpiompy izay tsy lafo izy mba hitazomana ny vidiny eny ifotony. Antony nametrahana izao fotodrafitrasa […]






