Misary ho maty momoka ny hetsiky ny kandida 11 mirahalahy. Mangingina sy variana amin’ny ady hevitra diso toerana ny rehetra. Andaniny, voizina mafy ankehitriny ny resaka karazan-daisoa. Politika anefa no lalaovina fa tsy fifaninana mahandro. Toa mivadika fanabarabarana ny vahoaka malagasy, miandrandra fitoniana ny resaka. Sanatria mandatsa aman-kanina ireto […]
Other News
Orinasa ETG any Toamasina : hamokatra zezika 36 000 t isan-taona
Mitsangana any Toamasina ny ozinina mpamokatra zezika, entina hampiakarana ny vokatry ny fambolena. Tanjona ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Notokanana ny 3 oktobra teo, ny ozinina mpamokatra zezika any Analamalotra Toamasina. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny orinasa ETG Inputs Madagasikara Sarl sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana […]
Fisandohana andraikitra: namoahana didy fisamborana ny mpanolotsaina ny Seg
Nivoaka ny didy fisamborana ilay teratany belza, Mirgaux David, mpanolotsaina teknika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), taorian’ ny fametrahan’olon-tsotra fitoriana teny anivon’ny fampanoavana ao Toamasina. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ihany no hanatanteraka izany ka aorian’ny famotorana, tsy maintsy hatolotra ny fampanoavana ny raharaha. Trangan-javatra maromaro no votoatin’ny fiampangana azy. […]
TSELATRA
Voasambotry ny polisy ilay renim-pianakaviana namono nahafaty an-janany tao Mangarivotra, kaominina Antsiranana, afakomaly. Nandaka vilany tampoka io zanany lahy io ka novonoin-dramatoa reniny. Nasesiny tany anaty lavadrano ny fatin-janany ka tsikaritry ny manodidina izany. Mpandeha telo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny RN6 mampitohy an’Antsiranana, ny 2 oktobra […]
Voaroba ny 12 tapitrisa Ar: atidoha nikotrika ny vinantolahy
Norobain’ny lehilahy iray ny volan-drafozany haterina any amin’ny banky tao Ambatomirahavavy, omaly. Tsy afa-nandositra izy sy ny namany ka tratran’ny zandary. Vinantolahy an’ny voaroba ny iray tamin’ireo telo lahy naka ny vola 12 tapitrisa Ar voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ambatomirahavavy, omaly. Hanatitra vola any amin’ny banky […]






