Other News

Nataony tao anaty armoara: novonoiny ny vadiny, saika haleviny an-tsokosoko ny fatiny

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ! Efa ho telo andro no tsy tazatazan’ny fiarahamonina tao Tanambao Verre­rie Toamasina, ny ramatoa iray vady an-defimandrin-dRakotoarison Germain Roda, 32 taona (tsy fantatra mazava ny asany). Raha ny angom-baovao, omaly maraina, nilaza hifindra trano izy ka nitatitra entana tamin’ny rambaramba (Kalesa hazo fitondrana entana). Nomeny ara-dalàna ny hofan-trano tao amin’ny […]

Mpimasy, mpampandro dahalo: maty rotiky ny balan’ny zandary i Damé

Tsy nandaitra ny ody ratsy nampiasain’ity mpimasy iray ity nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary Ambalabe Tsarara­no. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’io tanàna io, ny 25 septambra 2023 lasa teo. Nahazo angom-baovao ny zandary fa miafina ao Ambovonomby ireo dahalo nanafika tao Ambalabe ary mbola mikononkonona hanao fanafihana hafa indray. Nidina teny […]

Poa-basy teny Ambatoroka: jiolahy raindahiny rotiky ny bala, 8 lahy voasambotra

Nirefodrefotra ny basy teny Andohanimandroseza, omaly. Voatifitra teo amin’ny lohany ilay jiolahy metisy sinoa. Voasambotra ny namany valo. Potiky ny bala ny lohan’ny jiolahy raindahiny iray tra-tehaky ny poli­sin’ny SAG teny Andohani­man­droseza, omaly maraina. Nifanenjehana nanomboka teny Ambatoroka ity jiolahy ity sy ny namany. Nandeha tao anaty fiara taxi ny sasany tamin’izy ireo […]