Mivantambatana toy ny mahazatra azy ny depiote Rossy. Tsy mino izy fa olom-boafidy tahaka ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanina, no hanao zavatra mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana. Nohamafisiny fa miombon-kevitra aminy ireo mpifidy vaventy rehetra nifidy sy ireo ben’ny Tanàna rehetra nifanerasera taminy. “Betsaka ny olona niantso ahy manontany ny momba ny […]
Other News
Mivoaka…Miditra…
Tsy hita be ihany ireto mpanao politika malagasy ireto. Mivoaka miditra toa lelon-jaza amin’izay fihetsika atao. Mbetika mitsipaka, manangatra amin’ny fanaovana fanambarana arahin-tsonia. Mbetika manaraka ny onjany, toa mankasitraka izay ataon’ilay fitondrana. Manao kilalao mahavalalanina. Ilay vahoaka no fanina. Mankaiza ary izy ity ? na samy tompom-pahefana ihany koa aza […]
Antoko MFM : nodimandry Rakotovazaha Olivier
Misaona ny tontolo politika. Nodimandry, omaly, Rakotovazaha Olivier, filoha nasionalin’ny MFM. Efa minisitra sy senatera izy fony fahavelony. Banga ny tontolo politika. Nodimandry, omaly, ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier. Efa minisitry ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny taona 2003 ny tenany, fony fitondrana Ravalomanana. Mpikambana teo anivon’ny Filankevitra ambony […]
Nitsoaka ny iray tanàna : mpaka an-keriny iray lavo, telo azo sambo-belona
Nirefodrefotra ny basy tao Betoho, fokontany Ambatokely, kaominina Ambohibary Vohilena, ny alatsinainy 11 septambra teo. Nikononkonona hanafika tao amin’ny fokontany Andavabary, anatin’io kaominina io, ny ekipan’ity dahalo mpaka an-keriny atao hoe Ndremasy ity ny alahady 10 septambra. Naharay angom-baovao ny zandary fa ny alin’io andro io ihany dia ho tonga […]
TSELATRA
Zazavavy telo taona maty voahosin’ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny fokontany Ankadilalampotsy-Ankaraobato, ny alatsinainy 11 septambra teo. Nilalao io zaza io no sendran’ny fiara nandalo tampoka, araka ny filazan’ny nanatri-maso. Efa nampitandrina ny mpamilin’ny fiara ny polisy kaominaly iray teny an-toerana, talohan’ny loza saingy niafara tamin’ny loza hatrany izany. Vehivavy […]






