Other News

Mamono afo

Na efa miroso aza ny fanatanterahana ny fifidianana, misy hatrany ny miady sisika sy miady sisina hijanona na hihemotra amin’izany. Mila fandaminana, hono, ny tokotany ilalaovana, ny fitsipi-dalao, ny mpilalao hoe iza marina no mahazo fahazoan-dalana… Hahita rariny sy rirany amin’izany? Sahirana fa tsy mahita mangirana sy izay idirana, dia […]

Voina nahafatesana olona 12 tetsy Mahamasina: nankaherezin’ny filoha Rajoelina mivady ireo tra-pahoriana

Nampahery ny fianakavian’ireo namoy havana tamin’ilay fifanosehana tetsy Mahamasina, tamin’ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy (JIOI) ny filoha Rajoelina mivady. Noraisina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izy ireo. Naneho ny fiaraha-miory sy nampahery ny fianakaviana ny filohan’ny Repoblika. Nialoha izany ny fitantaran’ireo havan’ny maty ny zava-nitranga tamin’ny fidirana ny vavahady ka niteraka […]

Fantina sy fintina

Nanao fanambarana ireo loholona IRD, miisa 9, omaly tetsy Anosikely. Nohelohin’izy ireo ny politika mody mirotsaka hofidina nefa manao fanakorontanana. “Manodinkodina izany hamendrofendroana ny vahoaka“, hoy izy ireo. Nanterin’ireo loholona ireo fa tsy azo ampiharina ilay lalàna momba ny “zom-pirenena – Code de nationalité”. Mifanipaka amin’ny Lalàmpanorenana izany. Tsy nandrotsaka […]

Firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina: nametraka fitoriana  ny HVM sy ny Tim ary ny MMM

Nitory eny amin’ny HCC ny antoko HVM  sy ny MMM ary ny Tim, hanakanana ny fankatoavana ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina. Nambaran’ ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Désiré, teny Ambohidahy fa efa nivoaka ny didin’ny governemanta frantsay momba ny fizakan’ny filoha Rajoelina zom-pirenena frantsay. Anisan’ny nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho […]