Miditra amin’ny herinandro faharoa ny hetsika «Salon des jeux de sociéte», eny amin’ny Alliance française (Aft) Andavamamba. Fifaninana amina sehatra maro no handrafitra ny fandaharam-potoana amin’ity herinandro ity. Raha tsiahivina, ny 19 aogositra 2023 no hifarana ity hetsika ity, fotoana hanolorana ny loka ho an’ny mpandresy isaky ny karazany avy […]
Other News
Fanabeazana maha olona : hadinon’ny Malagasy ny maha izy azy
Maro ny resaka momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Tsy eto an-toerana ihany fa na ireo vahiny mpikaroka sy mpandalina tantara aza, milaza izany ihany koa. Mety hijanona ho jery ivelany ihany anefa io tranga io, raha ny hita ankehitriny ! Efa mahazatra ny sofina ny maheno ny hoe : […]
SOMBIM-BAOVAO
Cosafa Women. Nampafantarina ny talata lasa teo ny anaran’ireo mpilalao 23 vavy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa nisy dingana telo no natao nitilina ireo mpilalao ireo. Marihina fa ny Cosafa Women, hotanterahina ny 23 aogositra – 3 septambra ho avy izao, atsy Afrika Atsimo. Elgeco Plus. Niainga […]
Kitra – Amboaran’ny Filoha : hangotraka ny fihaonan’Antananarivo sy Antsiranana
Antananarivo hifanandrina amin’Antsiranana ary Toamasina hifampitana amin’i Fianarantsoa. Ireo no hiatrika ny lalao manasa-dalana hiadiana ny amboaran’ny Filoha, taranja baolina kitra. Fihaonana, hotanterahina anio alakamisy, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium.. Hangotraka ny fihaonana, samy hiaro ny voninahiny avy mantsy ireo faritany tafita ireo. Hanohana ny ekipany avy ireo mpijery […]
Tae-kwon-do : hitsara ny fifaninanana i Nicolas
6 mirahalahy mianaka ireo mpitsara iraisam-pirenena, amin’ny taranja Tae-kwon-do, mandritra ny lalaon’ny Nosy, hotanterahina eto Madagasikara, ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Anisan’ireo voafantina ao anatin’izany, Randriamiandrisoa Nicolas de Gonzague. Raha tsiahivina, mipetraka any Frantsa ny tenany ary manampahaizana manokana amin’ny fihetsika mirindra “poomsae”. Efa nandrombaka ny […]






