Nitohy tany Ambohimiadana Andramasina ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo amin’ny vahoaka. Voaresaka tamin’izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny fifidianana. Nambaran’ity kandidà filoham-pirenena ity fa miankina betsaka amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy no ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena. Anisan’ izany ny fanabeazana, ny fambolena sy ny fiompiana ho amin’ny fampandrosoana ny […]
Other News
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Ny Lalàmpanorenana ihany…”
“Mety misy mitady fomba hafa hisakanana ny fifidianana. Nefa tsy izay tiana na tsy tian’ny antoko politika no tanterahina, fa izay voalazan’ny Lalàmpanorenana ary izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Tsy ny filam-banin’ny antoko politika no tanterahina eto. Misy mitady governemanta iraisana […]
INDRAY MIJERY
Efa niroso tamin’ny fitokonana ny mpampianatra mpikaroka Seces sampana Fianarantsoa nanomboka ny alatsinainy teo. Nanao fitokonana teny amin’ny Esplanade Ankatso kosa ireo mpikambana avy ao amin’ny Seces sampana Antananarivo nanomboka omaly, satria tsy nisy valiny ny fitakiana samihafa natao. Honeran’ny fanjakana ny saran-dalan’ireo mpianatra 21 mendrika ka lasa any ivelany […]
“Carnaval” lehibe tao Sambava: Tanjona ny hihoatra ny “Waka Waka Festival” any ivelany
Lanonambe ny any Sambava. Mandray ny andiany faharoa amin’ny “Waka Waka Festival” ity distrika ity ankehitriny. Raikitra! “Carnaval” lehibe namakivaky ny tanànan’i Sambava no nentina nanamarihana ny fanombohan’ny “Waka Waka Festival”, andiany faharoa, tontosaina eto Madagasikara. Loko maro sy marevaka, soradihy mirindra, fanovan’endrika isan-karazany sy izay rehetra fanao amina “carnaval” […]
Tarika rebika: hiaka-tsehatra avokoa ny mpikambana hatrizay
Hanatanteraka fampisehoana ao Antsahamanitra, ny alahady 13 aogositra 2023, ny tarika Rebika. Ho hita mandritra ity fampisehoana ity avokoa ny mpikambana nandrafitra ny tarika hatramin’izay. Fampisehoana natao ho an’ny rehetra no nomanin’ny mpikarakara sy ny tarika, miaraka amin’ny hira nankafizana ny tarika Rebika. “Vonona tanteraka ny tarika hitondra seho mahafinaritra […]






